FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NY HERIN’NY FINOANA

II Tan 24, 17-22 / Alahady 09 aogositra 2020

1/ Hahitanao zava-mahagaga tsy takatry ny saina eritreretina.

Manan-danja ny Finoana ka afaka hatao fitaovana amin’ny fiainana andavanandro. Ampiasao ny Finoana fa hitondra zava-tsoa, apetraho ho loha-laharana amin’izay rehetra atao.Ny Finoana no mahavonjy ka hahazoana ny famelan-keloka. Koa tandremo sao mihena ny Finoanao.

2/Hahafahana mizaka ny mafy sy misedra olana ny Finoana.

Tsy voatery ho zavatra tsara sy mahafinaritra no entin’ny Finoana. Hahafahanao mahazaka sy miharitra ny zavatra mafy rehetra izy. Manam-paharetana ianao mba hahazoanao ny famonjena.

Aza kivy raha misedra ny mafy, ampiasao ny FINOANA.

3/Handovana ny zavatra faran’ny tsara ny FINOANA dia ny FIAINANA MANDRAKIZAY.

Misy zavatra efa homanin’Andriamanitra ho anao, fa miandry ny fotoana anefa izany. Rehefa hiverina eny amin’ny rahon’ny lanitra i Jesoa Kristy dia hiara-higoka izany fahatsarana izany isika.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email