FJKM KATEDRALY ANALAKELY

ALAHADIN’NY MPITANDRINA 2020

Nankalazaina ny Alahady 04 oktobra 2020 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina ka nandritra ny fidirana anankiroa, dia ny tamin’ny 6 ora sy sasany ary ny tamin’ny 9 ora sy sasany no nanaovana izany. Toy  ny fandaminana isan-taona dia ny Biraon’ny fiangonana no nandray an-tànana ny vavaka sy ny vakiteny izay narahina lahateny fohy.

Araka ny nolazaina dia fitondrana am-bavaka ny Mpitandrina mianakavy no anisan’ny niompanan’ny fiaraha-mivavaka, ka nanentanan’ireo Mpitandrina anankiroa nitondra ny fotoanan’ny fiangonana mba hanohana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël sy ny ankohonany. Niavaka tokoa mantsy ity taona ity satria anisan’ny fiangonana nikatona ny FJKM Katedraly Analakely raha nandalo ireny fihibohana ireny. Kanefa tsy nijanona ny Mpitandrina namatsy tenin’Andriamanitra isan’andro ny Kristiana tamin’ny alalan’ny tamba-jotra-tserasera FJKM Katedraly Analakely. Nampiorina finoana ary niteraka fanantenana tokoa izany nandritra ny fotoana mafy nolalovana tamin’ireny valan’aretina ireny. Ankehitriny dia efa miverina tsikelikely ny fiaraha-mivavaka ka hanentanan’ny Mpitandrina sahady fa fotoanan’ny fanarenana izao. Tsy mihemotra amin’izay tetikasan’ny fiangonana efa nofaritana, na eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara, na eo amin’ny asa fanamboarana ny fiangonana.

Izany indrindra no hanokanan’ny fiangonana Alahady iray isan-taona mba hanohanana ny Mpitandrina, hahatsiarovana azy ireo. Ny rakitra rehetra nandritra an’ireo fotoam-pivavahana ireo moa dia natolotra feno azy ireo. 

Niombonan’ny Mpitandrina anakiroa nitoriteny ny ezaka tokony hataon’ny fiangonana mba ho voatahiry ao anatin’ny fitiavan’Andriamanitra. Zava-dehibe ihany koa ny fiandrasana ny y ny faharetana amin’ny finoana mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email