FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Alahadin’ny Mpitandrina 06 Oktobra 2019

Notontosaina ny Alahady 06 oktobra 2019 lasa teo ny Alahadin’ny Mpitandrina tao amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy nitondrana am-bavaka ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël sy ny ankohonany.

Andriamatoa RANDRIANARISOA Lovasoa Mpitandrina, izay mitondra ny “poste d’évangelisation” any Bekily no nitarika ny fotoana sy nitondra ny tenin’Andriamanitra. Notsindriny manokana ny anjara-toeran’ny fitiavana sy ny tenin’Andriamanitra tamin’iny Alahadin’ny Mpitandrina iny.

Toy ny fanao dia ny biraon’ny fiangonana no nitarika ny fotoana, nanao ny vavaka sy ny vakin-teny. Niara-nientana kosa anefa ny sampana, sampan’asa ary ny fikambanana rehetra ka nampiseho ny fiombonana tamin’ny alalan’ny fanamiana. Tsy diso anjara ny Loholona sy ny Diakona izay nampiseho tokoa fa mpiara-miasa akaiky amin’ny Mpitandrina.

Nandritra ny lahateny izay nentin’ny biraon’ny fitandremana no nampatsiahivana ny lalan-tsarotra nodiavin’ny fiangonana kanefa lehibe mihoatra izay ny fitantanan’Andriamanitra.

Mavesatra ny adidy sy ny asa hiandry ny Mpitandrina ka tononina aminy ilay fiteniny manao hoe “MAHEREZA”

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email