FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fanendrena ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Anisan’ireo Mpitandrina navoaka ny 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA rehefa nahavita ny fanohanana ampahibemaso ho famaranana ny fianarana teny amin’ny Faculté de Théologique Ambatonakanga.

Natolotry ny FJKM Katedraly Analakely ho mpianatra mpitandrina ny taona 2013, resy lahatra ary niditra nianatra teny amin’ny toeram-panomanana mpitandrina Andriamatoa Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Mbola niasa teo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety izy tamin’izany, anisan’ny tompon’andraikitry ny Gazety “L’info”. Mpitandrina namany ihany no nanosika azy, ka naharesy lahatra azy fa izay no antson’Andriamanitra. Tsy mora anefa ny làlana nodiavina nandritra ny fianarana izay naharitra enina taona. Maro ireo fisedrana sy fitsapana, fa tao anatin’izany no nahitany ny tena tanjaky ny finoana.

Ny 18 jolay 2019 ny Mpitandrina RAKOTONDRAMANANA Benjamina no nanatanteraka ny fanohanana ampahibemaso ny lahatsoratra famaranana izay nitondra ny lohateny hoe “NY FINOANA AVY AMIN’NY FILAZANTSARA AVOITRAN’NY FANDAHARANA SAMIHAFA”. Nahazoany ny fankasitrahan’ny mpitsara izany.

FJKM Ambodirina Ambatolampy, synodamparitany faha-38 no toerana voatendrin’ny Foibe hiasany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email