FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANKASITRAHANA IREO NIASA HO AN’NY FIANGONANA

Endrika iray nentin’i Ravelosoa Mickaël Mpitandrina eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fankasitrahana ireo niasa ka nahavita ny andraikiny teo amin’ny asan’Andriamanitra teo aloha. Ny Biraon’ny fiangonana sy ireo Mpandinim-bola no nanombohana izany.

Ireto avy ireo ny anarana sy ny taona naharetan’izy ireo :
NY BIRAOM-PIANGONANA :

  • Rtoa RAJAONERA Hanta – Mpitahiry volan’ny fiangonana – (2012-2019)
  • Atoa RASAMIMANANA Fitomalala – Mpitan-tsoratry ny vola (2012-2019)
  • Atoa RATSIMBAZAFY Serge – Mpitan-tsoratry ny vola (2016-2019)
  • Rtoa RAHARISAINA Antoinette – Sekreteran’ny fiangonana (2012-2019)
  • Atoa RANDRIANARIVO Liaha – Sekreteran’ny fiangonana (2016-2019)
  • Atoa RATSIFEHERA Tafika – Sekreteran’ny fiangonana (2004-2019)

NY MPANDINIM-BOLA

  • Atoa ANDRIATSOANAVALONA Joseph ( 2016-2019 )
  • Rtoa RALISIARISOA Rivolalaina ( 2016-2019 )
  • Rtoa RAMALAJAONIAINA Andrianarizafy Lysiane ( 2016-2019 )
  • Rtoa SAMSER Sanda Jenny ( 2016-2019 )

Nandritra ny fanompoam-pivavahana ny Alahady 28 jolay 2019 no notanterahina ny fankasitrahana izay nifanaraka tamin’ny litorija. Nisy noho izany ny sertifika ho fanamarihana izany.

Nisy ny fandraisan’anjara fitenenana avy amin’ny solontenan’izy ireo ary tsy diso anjara ny tononkalo.

AMPITOMBOINA AMINTSIKA MANDRAKARIVA ANIE RY HAVANA NY FAHASOAVANA SY NY FIADANANA AVY AMIN’ANDRIAMANITRA RAINTSIKA SY JESOA KRISTY TOMPO  AMENA

DIA TOY IZAO INDRAY NY FIVAKY NY TARATASY VOARAY AVY NY BIRAON’NY FIANGONANA SY NY MPANDINIM-BOLA  HO FISAORANA NY FIANGONANA TAMIN’NY FANKASITRAHANA AZY IREO:

Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay, na satro-boninahitra reharehanay? Moa tsy ianareo eo anatrehan’i JesoaTompontsika amin’ny fihaviany va?  Fa ianareo no voninahitray sy fifalianay. »

(1 Tesaloniana 2:19-20)

         Ry Hava malala ao amin’ny Tompo

Noraisinay izany andian-teny avy ao amin’ny Epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’ny Tesalonianina toko faha 2 andininy faha-19 sy 20 izany ankehitriny ho entinay hanehoana ny hafalianay,noho ity  Alahady natokan’ny Fiangonana eto amin’ny Katedraly ANALAKELY ho fankasitrahana anay Mpiasam-piangonana ,dia izahay Mpikambana tao  Biraon’ny FIANGONANA sy ny Mpandinimbola voafidy  niasa nandritr’izay efa-taona farany izay.

  • Misaotra an’Andriamanitra izahay nohon’ny fitahiny sy ny fahasoavany nomeny anay mandrakariva ka nahazoanay nanantanteraka ny asa niantsoany anay tsirariray  araky ny fanomezam-pahasoavana nomeny anay.

Manokana ity Alahady ity ny Fiangonana ho fankasitrahana anay  nohon’ny asa vita nandritry ny izay 4 taona  ary fanehoan’ny Fiangonana ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina aminay koa maneho fisaorana anareo  Fiangonana, ny Ray aman-dreny Mpitandrina  ary ny Biraon’ny Fiangonana  noho izao fanehoam-pitiavana ataonareo izao.

  • Misaotra ny Mpihevidraharaha ny Fiangonana ihany koa izahay tamin’ny fahatokisana ka nifidy anay ho Mpiasam-piangonana tao anaty izahay efa taona izay.

Ny asa eto amin’ny Fiangonana dia fiovana andraikitra hatrany fa tsy  ho toerana tanjona hijanona na hifikirana , ka  izany fiovana andraikitra izany ankehitriny no ilan’ny Tompo anay  ka hanamafisanay ny fahavononay amin’ny Asa fanompoana, izay mety tsy vitanay amin’ny maha-mpandray anay na amin’ny maha-diakona na loholona anay.

Misaotra anareo  izahay  niaraha-nihevitra  sy nandinika ny asa,  ny raharaha ary ny fiainam-piangonana amin’ny ankapobeny, ka notandrovanareo mandrakariva ny maha iray ny Fiangonana sy ny Mpiara-mivavaka ,

  • Misaotra anareo Fiangonana ihany tamin’ny fitrotroana ambavaka ny asa nataonay  amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra, ary niray fo amam-panahy tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana miaraka isan-Alahady, ankaotran’ireo fotoana samihafa hiara-mivavaka eto amin’ny Fiangonana na hanaovana fanompoam-pivavahana any antokantrano nohon’ny antony maro samihafa, amin’ny andavan’andro.
  • Misaotra anareo Tompon’andraikitra isan-tsampana, Sampanasa manontolo, izay vy miara-miaina sy fivoy niara-mandroso, amin’ny fampandrosoana  ny Fiangonana sy ny asa napetraka tamintsika Io firaisan-tsaina sy firaisam-po teo amintsika io no nahavitana ireo asa teto amin’ny Fiangonana nandritry  izay efa taona .
  • Farany, tsy ny kely indrindra dia misaotra anareo ankohananay tsirairay  avy izahay tamin’ny fanohananareo anay tamin’ny fanantanterahanay ny adidy aman’andraikitra amin’ny asa nifidianana anay teto anivon’ny Fitandremana .

         Nihevitra mandrakariva toa  ihany koa  ianareo   amin’ny asa fampandrosoana ny asan’Andriamanitra teto anivon’ny Fiangonana,ka nitondra am-bavaka,nanohana  nanoro niaraha-nihevitra  sy nandinika ny asa sy  ny raharaha ary ny fiainam-piangonana amin’ny ankapobeny,na dia matetika aza ianareo eo  amin’ny Fiheveran-draharaha  vao mahafantatra ny tolokevitra entinay Birao,izany dia ho fitandrovana ny firaisana teo amin’ny Birao; Misaotra sy mankasitraka   anareo .

Eto ampamaranana dia manamafy fa tsy mitsahatra akory ny asa eto amin’ny FIANGONANA ,fa ny andraikitra no miova izay ho ataonay na  eo anivon’ny Maha-Mpandray ,na anatin’ny Sampana nisy anay tsirairay avy,na amin’ny maha –DIAKONA na LOHOLONA ;

Dia izay no mamarana ny filazana fisaorana avy aminay.

                                      Ho Azy irery anie ny voninahitra .Amena

            Izao isika toy ny mahazatra dia handray ny hafatra amin’ny tonokalo mirindra ataon’Atoa             Liaha     

 

Misaotra Anao ‘zahay ry Ray

Nitantanao anay,

Mpanompo  tsy mahasoa

Fa, notahianao tokoa.

Izay rehetra efa vita

Dia izay tokony ho natao;

Mety misy ny tsy hita

Ka navela tamin’izao.

Tena ifonana tokoa

Izay rehetra tsy natao,

Aoka Ianao hamindra fo

Aminay mpanomponao…

Deraina Ianao ry Tompo

Amin’ny fitiavanao

Tsy nijery maha-mpanompo,

Famelana atolotrao.

Ampombay anay hatrany

Ny fahasoavanao

Tsy adino amin’izany

Ny fiangonanao.

Ny birao mandimby anay

Tantano ihany koa

Mihoatra noho ‘zahay

Ho ampoky ny soa.

Dia ho Anao Andriamanitra

Anie ny voninahitra.

Amintsika rehetra indray

No itodihana izao,

Vita izay ny andraikitray

Dia ny asa maha-birao.

Ny alahelo izay tavela

Aoka re avalona any

Ka mba samy hifamela

Sy hifankatia hatrany.

Fandeferana ihany koa

Amintsika no takiana

Ka mba samy hifanasoa

Dia hiaina am-pifaliana.

Ny miavonavona fadio

Fa mba samy hanetry tena

Mety ambony ianao anio

Fa ny hafa koa jerena.

Raha tanteraka izany,

Ny teny hoe “Miraisa saina”

Mandeha ho azy avy hatrany

Mifampiteny tsy ilaina.

Fahamasinana tsy adino

Sy iainana raha mino

Ny Tompo any aoriana

Hampandroso am-pifaliana.

Amin’ny Birao vaovao

No itodihana izao.

Film efa nandeha

No averina aminao

Dia ho tsiniko ary ve

Ny mampitsangana anao?

Ny Tompo no nifidy

Aoka izany ho tsaroana,

Amin’ny asa izay omeny

Tsy hanaonao foana.

Ny voninahitry ny Tompo

No tandrovy ho ambony,

Izay maha izao anao

Foany tsy hisy intsony.

Izy no velona ao anatinao,

Ny mivavaka hatrany no tokony atao

Ho feno ny fanahy ary koa fahendrena

Hiasa tsy manahy am-panetren-tena.

Ny fahamarinana ihany koa

Aoka foana hanjaka hatrany

Dia ho tanteraka tokoa

Ny paradisa an-tany.

Izay ary re amintsika no takiana

Izay no tanteraho ,ary ataovy am-pifaliana.

Mahefa be amin’ny asan’ny Tompo.

Misaotra tompoko

Liaha (28/07/2019)

Analakely

                                            

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email