FJKM KATEDRALY ANALAKELY

10 jona 2023 sy 11 jona 2023 : hotokanana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA

Mandroso tokoa ny asa fananganana ny fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA ary efa manakaiky ny famaranana ny asa. Namaritra tetiandro ny fiangonana roa tonta, dia ny FJKM Katedraly Analakely sy ny FJKM Ampandriakilandy Fiadanana fa hotokanana ny fiangonana ny 10 sy 11 jona 2023.

Ny 14 jona 2022 no nanomboka ny asa fananganana ny fiangonana FJKM Ampandriakilandy Fiadanana ka tamin’ny alalan’ny Tafika Masina izay notontosaina nandritra ny herinandro. Ny 19 jona 2022 kosa no napetraka ny vato fototry ny fiangonana izay notarihin’ny Mpitandrina roa tonta sy ny solontenam-panjakana any Ampandriakilandy.

Ankehitriny hamarana ny tafo sy ny fandalorana ny vata-tranon’ny fiangonana anatiny sy ivelany. Ny asa lehibe mbola hatrehina dia ny dallage sy ny fandokoana ny fiangonana ary miampy ny fampidirana herin’aratra. Hivondrona ny sampana rehetra ao analakely ho amin’ny fampitaovana ny anatin’ny fiangonana toy ny : ny latabatra alitara, ny lakroa, ny pilipitra, ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fampandraisana, ny dabilio sy ny fanamafisam-peo…

Raha sitrapon’ny Tompo dia hotokanana ny fiangonana ka ny sabotsy 10 jona 2023 dia hiarahana amin’ny Foibe FJKM sy ny Synodamparitany ary ny alahady 11 jona 2023 kosa dia hiarahana amin’ny Kristiana ao amin’ny FJKM Ampandriakilandy.

Ny Komitin’ny Tsangambato Ampandriakilandy izay tsy iza fa ireo Komity ny faha-160 taona ny fiangonana no hanohy ny asa fananganana ny fiangonana. Ny Alahady 04 desambra 2022 lasa teo no naseho sy nitondrana am-bavaka azy ireo.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email