FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Alatsinain’ny Pentekosta, teny amin’ny “Café d’Ampasimbe”

Tontosa ny Alatsinainy 10 jona lasa teo ny fitsangatsanganan’ny mpiara-miangona ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Teny amin’ny “Café d’Ampasimbe” Ambohimalaza no nifampotoana ka mpianakavin’ny finoana niisa arivo teo no tonga teny.

Tao amin’ny II Kort 3.5-14 no nentin’i Raveloasoa Andriamamonjy Mickaël Mpitandrina nanombohana ny fotoana ary nitohy tamin’ny lalao isan-karazany izay efa nomanin’ny komity izany. Fotoana nahafahan’ny mpiara-miangona mihaona ivelan’ny fiangonana io ka mifampizara sy mifampitafa ny besinimaro.

Ny sampana rehetra ihany koa dia nanana anjara lehibe teo amin’ny fanafanana sy ny fivarotana sakafo isan-karazany. Marihina fa ny fitsangatsanganan’ny fiangonana toy izao dia hetsika ifandrombonan’ny firaisan-tsampana.

Ny atoandro moa dia niaraka nanao ny sakafo AGAPE izay niantohan’ny fiangonana tanteraka ka nahitana ny firaisana sy fiombonana tokoa.

Nilamina tsara iny fotoana iny ka afaka niala voly ny mpiangona

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email