FJKM KATEDRALY ANALAKELY

DINIK’ASA TAONA 2020 NIARAHAN’NY SAMPANA, SAMPAN’ASA ARY FIKAMBANANA (S.Sa.F)

Tontosa ny sabotsy 16 novambra 2019 teo teny amin’ny Centre de Formation Jirama eny Ambohimanambola ny fisintonan’ny sampana, sampan’asa ary fikambanana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ka telo ambin’ny folo no isan’izy ireo. Ny Biraon’ny Fiangonana izay notarihin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no nitarika ny fotoana izay natombokatamin’ny 9 ora maraina.

STK Zokiny, VFL, Dorkasy, SLK, TAFIKA, AMA, Sekoly Alahady, SAFIF, Vokovokomanga, SAMPATI ; Sampan’asa Dispensaire, Biblioteka, AFF ; Fi.Mpi.Z K.A (Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno katedraly Analakely); ireo no sehatra mitaiza sy manabe ireo sokajin’ny kristiana ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely. Ny fisintonana dia fotoana ampihaonana ny S.Sa.F (Sampana, Sampan’Asa, Fikambanana) ka ilazan’izy ireo ny tetik’asa inavinaina hatao ny taona ho avy. Velona tokoa ny S.Sa.F fa tena manana soritr’asa lehibe ny ankamaroan’izy ireo : ao ny hanangana akany na sekoly, misy ihany koa ny hanangana fiangonana.


Zava-baovao izay nentan’i Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny nananganana ny sampan’asa A.F.F ( Asa Fitoriana ny Filazantsara ). Araka ny anarany dia hamoy ny vinan’ny FJKM io sampan’asa io dia ny hamoty Filazantsara ny Nosy Madagasikara. Fiofanana no entin’izy ireo hanombohana izany satria mitaky fahavononana ara-pinoana sy ara-tsaina izany. Hiara-hiasa amin’ny S.Sa.F. izy ireo amin’ny asa fitoriana rehetra.


Anisan’ny hampiavaka ny taom-piasana 2020 ihany koa ny fankalazana hataon’ny S.Sa.F. sasany. Ny Sekoly Alahady dia hankalaza ny faha-140 taona, ny SAMPATI vao nanomboka ny fankalazana ny faha-70 taona niorenany ny Alahady 17 novambra 2019 lasa teo, ny sampan’asa Biblioteka kosa dia hankalaza ny faha-20 taona niorenany.
Nohararaotin’ny Biraon’ny Fiangonana ny nizara ny fitsipika izay hifehy ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy sampana sy ny fiangonana.

Vita izay ny tetik’asa fa dia hiroso amin’ny fanatanterahina ny S.Sa.F. izao.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email