FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANKALAZANA NY FAHA-40 TAONAN’NY FFKM

“Ho tafakambana tsara ianareo, hiray saina sy hevitra” (1 Kor. 1, 10b ). Io no teny faneva hankalazana ny faha-40 taona ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana Malagasy izay hitambaran’ny FJKM, FLM, EKAR, EEM ).
Ny zoma 23 aogositra 2019, amin’ny 2 ora no hisokatra amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny fijoroan’ny FFKM, ka ao amin’ny EKAR Antanimena no hatao izany.
Ny Filoham-piangonana efatra mirahalahy dia miantso ny Mpitondra fivavahana sy ny vahoaka kristiana rehetra hanatrika io fotoana io. Hisy ny fankasitrahana ireo raiamandreny rehetra izay efa nanana andraikitra teo anivon’ny FFKM.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email