FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Nahazo Mpitandrina miza-draharaha vaovao ny fiangonana

Asan’ny Apostoly 1-, 10b :”..satria nataonay fa Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara amin’ny olona any”

Andriamatoa RANDRIANARISOA Joharivony Samuel, mpiomana ho mpitandrina taona faha-efatra ao amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga, no ho Mpitandrina miza-draharaha, hiara-hiasa amin’ny fiangonana mandritra ny telo volana.

38 taona izy ary tsy mbola manambady ary Diakona tany amin’ny fiangonana FJKM Ikanja Fiderana Ambohimangakely, izay fiangonana nanolotra azy tany amin’ny toeram-panomanana ho Mpitandrina.

Mpikambana STK ny Mpitandrina RANDRIANARISOA teo aloha, ary birao ny sampana mihintsy izy tamin’izany.Tamin’ny maha-birao azy indrindra no nivezivezena tany amin’ny Foibe ka nahitany ny afisy miantso izay te-hiditra ho mpianatra ho mpitandrina. Dimy taona taorian’ny naha-birao an’Andriamatoa RANDRIANARISOA Mpitandrina vao tapa-kevitra ny nanao ny fanadinana fidirana ho mpianatra.

Miavaka tokoa raha ny mpitandrina miza-draharaha satria nisintomany trai-kefa ny naha-biraon’ny STK azy teo aloha ka hahafahany mitory bebe kokoa amin’ny tanora ankehitriny. Manana ny fijeriny tokoa izy na eo amin’ny fitaizana ara-panahy na eo amin’ny maha olom-pirenena. Resy lahatra tokoa izy fa natosiky ny Tompo hanana andraikitra betsaka ao amin’ny fitoriana ny filazantsara. Tsy misy afa-tsy ny finoana an’i Jesoa Kristy

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email