FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Napetraka tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA

Ny alahady 20 oktobra 2019 lasa teo no notontosaina tany amin’ny FJKM Ambodiriana Fitiavana ny fametrahana tamin’ny fombam-piangonana ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Ny Filoha lefitry ny Synodaparitany Antsinanana Ankaratra, Andriamatoa RAZAFIARIMANANA Prosper Mpitandrina nitarika ny fotoam-pivavahana.

Tamin’ny 9 ora maraina no nanomboka ny fotoana ary kristiana manodidina ny 1 500 no nanotrona ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA. Nisy ihany koa ny solontena avy any amin’ny FJKM Katedraly Analakely, fiangonana niavian’ny Mpitandrina ; sy ny FJKM Ambohimalaza Firaisana, ary ny zanaka am-pielezana FJKM Ambodiriana Fitiavana. Nisy ny fanaovana Batisa ary nofaranana tamin’ny fandraisana ny Fanasan’ny Tompono fotoana.

Fiangonana dimy no hiandraiketan’ny Mpitandrina RAKOTONDRAMANANA dia ny FJKM Ambodiriana Fitiavana, FJKM Ambohitranjoma Fahazavana, FJKM Ampitankely Fahasoavana, FJKM Andohariana Fanantenana ary FJKM Miarinarivo.Eo amin’ny roa arivo eo no isan’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ireo fiangonana ireo.Tsy maintsy tetezin’ny Mpitandrina ireo fiangonana dimy ireo isaky ny alahady.Hatreto dia ny sampana dorkasy, STK sy Vokovokomanga no tena velona. Tsy misy mihintsy kosa ny sampana Sekoly Alahady.

Amin’ny maha-fiangonana any ambanivohitra azy dia tena mbola marefo ara-entimanana ny kristiana. Vonona anefa ny Mpitandrina Benjamina RAKOTONDRAMANANA ny hitory ny Filazantsara any amin’ireo faritra ireo, satria ao no niantson’ny Tompo azy.

Miantso ny sampana rehetra ny Mpitandrina mba hanao ny Tafika Masina any.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email