FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Voatendry any amin’ny SP Antananarivo Atsinanana i Pasteur Hobinirina

RAZAFINDRAKOTO Hobinirina Harisoa Mpitandrina, niza-draharaha teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely nanomboka ny volana aprily 2019, dia anisan’ireo Mpitandrina navoakan’ny FJKM Foibe ny Alahady 28 jolay 2019 teny Antsahamanitra. Manambady izy ary manan-janaka roa vavy. Toy izany koa Rangahy vadiny dia ny Mpitandrina RAJAONARISON Sterno, samy navoaka teny Antsahamanitra ny androtr’io ihany.

Ny taona 2008 izy no niditra nianatra tao amin’ny kolejy tany fianarantsoa ary nivoaka ny taona 2012. Avy hatrany dia niasa dimy taona tao amin’ny fitandremana Iharana Foulpointe, synodamparitany faha-31. Avy eo niverina nianatra teny amin’ny Faculté de Théologie Ambatonakanga ny taona 2017.

Anisan’ny nanamarika ny fandalovan-dRamatoa Mpitandrina teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny fandaminana ny asa izay inoana fa hanampy azy hiatrehany ny asa maha-Mpitandrina azy.

Tontosa arak’izany ny fanohanana ampahibemaso ny famaranana ny fianarana ka nitondran-dRamatoa RAZAFINDRAKOTO ny lohahevitra hoe “Ny andraikitry ny olom-boaantso araka ny Mpitsara 6, 11-32”. Ankehitriny izy dia voatendry hitandrina ny FJKM Morarano, synodamparitany Antananarivo Atsinanana.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email