TAFIKA MASINA FJKM AMBOTSIROA MALALA – Miantso ny kristiana hiverina any am-piangonana

Taorian’ny fangatahana nataon’ny fiangonana FJKM AMBOTSIROA MALALA, faritra Mahitsy, dia notanterahan’ny Sampana Fifohazana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Tafika Masina ny Talata 22 oktobra 2019 lasa teo ka ny Filohany Ramatoa Daddie RATSIFEHERA no nitarika izany. 14 no mpikambana nandeha izay nahitana mpiandry 12. Tsy maintsy nisy aloha ny dinika fanomanana izay niarahana tamin’ny […]