HAFATRA TAONA 2020 : MIFAMPAHEREZA – MPANDRESY IANAO – MIFAMPIVAVAHA – Efesiana 6, 10-18

Fandaharam-potoanan’ny FJKM Katedraly Analakely voalohany ny fiaraha-mivavaka isaky ny 01 janoary ka tsy diso anjara iy taona 2020 ity izay notarihan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël. Ho fampaherezana ny Kristiana nanatrika izany dia nametraka hafatra telo izy : 1/ Mifampahereza (And 10) “…mahereza ao amin’ny Tompo, amin’ny herin’ny faherezana…”Paoly Apostoly any am-pigadrana no manoratra, ao anatin’ny fijaliana […]