FJKM KATEDRALY ANALAKELY

HAFATRA TAONA 2020 : MIFAMPAHEREZA – MPANDRESY IANAO – MIFAMPIVAVAHA – Efesiana 6, 10-18

Fandaharam-potoanan’ny FJKM Katedraly Analakely voalohany ny fiaraha-mivavaka isaky ny 01 janoary ka tsy diso anjara iy taona 2020 ity izay notarihan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël. Ho fampaherezana ny Kristiana nanatrika izany dia nametraka hafatra telo izy :

1/ Mifampahereza (And 10)

“…mahereza ao amin’ny Tompo, amin’ny herin’ny faherezana…”Paoly Apostoly any am-pigadrana no manoratra, ao anatin’ny fijaliana sy fitadiavana fanavotana. Kanefa FAMPAHEREZANA indray no nataony. Noho izany mandritra ity taona ity dia aoka ianao HAMPAHERY IZAY REHETRA MANODIDINA ANAO. Aoka tsy ho teny fanakiviana no haloaky ny vavanao fa fampaherezana.

2/ Mpandresy ianao (And 13-17)

Nomen’Andriamanitra ny fitaovana rehetra ianao hiadiana amin’ny ratsy. Noho izany dia ampiasao ny fitaovana entinao hiatrehina ny adim-pinoana dia MPANDRESY IANAO.

3/ Mifampivavaha (And 18)

Tsy mivavaka ho an’ny tena fa samy mifampivavaka ny samy kristiana. Tsapanao ny herin’ny vavaka ataon’ny Kristiana ho anao ary ho hitanao ny endrim-pitahiana hirotsaka aminao. Isika FJKM Katedraly Analakely dia manana ny bokim-bavaka izay mipetraka eny amin’ny alitara, azonao soratana ao ny vavaka ilainao fa misy Kristiana hafa hivavaka ho anao.

Mpitandrina RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY NOMENJANAHARY MICKAËL
FJKM KATEDRALY ANALAKELY
01 JANOARY 2020

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email