TSIAHY MIKASIKA NY FANORENANA NY FIANGONANA HO LASA KATEDRALY ANALAKELY (Taona 1954-1973)

FAMPIDIRANA :Marihina eto ampiandohana fa talohan’ny taona 1954, ny fefin’ny Fiangonana dia niorina nanaraka ny sisin’ arabe izay nahitana vavahady vy anankiroa miloko mainty: ny lalan-kely (allée) roa fidirana dia voarakotra vato fisaka (ny andaniny telo kosa dia voavoly ahitra milenodenoka, ahitana voninkazo raozy sy hazo coco ary apanga vaventy) samy mipaka eo amin’ny totohabato […]