FJKM KATEDRALY ANALAKELY

TSIAHY MIKASIKA NY FANORENANA NY FIANGONANA HO LASA KATEDRALY ANALAKELY (Taona 1954-1973)

FAMPIDIRANA :
Marihina eto ampiandohana fa talohan’ny taona 1954, ny fefin’ny Fiangonana dia niorina nanaraka ny sisin’ arabe izay nahitana vavahady vy anankiroa miloko mainty: ny lalan-kely (allée) roa fidirana dia voarakotra vato fisaka (ny andaniny telo kosa dia voavoly ahitra milenodenoka, ahitana voninkazo raozy sy hazo coco ary apanga vaventy) samy mipaka eo amin’ny totohabato mitondra miakatra ho ao antokontanim piangonana (préau).

Marihina fa eo amin’io totohabato io no maka sary ny mpanambady sy ny fianakaviany rehefa vita ny fanamasinana.
Hatreho izany dia mizara roa ny tokontany ka ny:
ilany atsinanana dia mitondra any amin’ny varavaram-be atsimo atsinanana (côté BNI ankehitriny),
ilany andrefana dia mankany amin’ny: varavaram-be atsimo andrefana,Trano fisainanana sy tranokely fiomanana sy fiakanjon’ ny Mpitandrina (côté Biblliothèque municipal ankehitriny).


VOTOATIN’NY TSIAHY :
Azo zaraina vanim-potoana telo ny fanorenana ny Fiangonana Analakely ho tonga amin’ny maha-“KATEDRALY”azy:
Ny fandavahana ny fototra (fondation) narahan’ny fanorenana ny “tilikambo kamba-telo” teo amboniny
Ny fanorenana ny vatan-tranom-piangonana,
Ny fanorenana ny rihana (balcon)


FOTOTRA SY FANORENANA TILIKAMBO :
Efa tany amin’ny taona 1950 tany ho any no nitsiry ny foto-kevitra ny amin’ny hananganana ny Fiangonana ho Katedraly. Koa dia natsangana arak’izany ny Komity ny Katedraly hamolavola sy hitantana ny fanorenana. Araka izany, ny Architecte Jean CIVIERA no nanankinan’ny Fiangonana ny fanaovana ny planin’ny tilikambo.
Rehefa nankatoavin’ny Fiangonana ny planina novolavolain’ny Architecte, dia nomena ny Entreprise BAHUAUD ny fanatanterahana ny asa, noho izy manana : fahaiza-manao sy ny traik’efa ary mpiasa mahay.
Noho ny maha-onaona ny tany nanorenana, dia voatery nandavaka hatrany amin’ny 40 m tany ho any (système pieu havé) vao nahita tany mafy (vato) mahazaka ny vesatr’ ireo poteaux béton armé (B.A) miisa valo iorenan’ny tilikambo kamba-telo narafitra manontolo amin’ny B.A izay mijoalajoala any amin’ny 39,48m (miala amin’ny niveau parking) ny avo indrindra.
Nandaniana fotoana lava tokoa ny fandavahana ireo fototra ireo; nisy ihany ny vaha-olana ahavitana haingana kokoa ny asa, saingy tsy azo notanterahana izany satria mety hanimba ny trano manodidina.
Ny vinavina dia mazava ho azy fa betsaka ny vola tsy maintsy ilaina hananterahana ny asa , koa natomboka tamin’izay teo ampelatanana aloha izany.
Araka izany dia nanao ezaka goavana ny Fiangonana miaraka amin’ireo : kristiana tsotra, sampana, ny isam-pianakaviana ary ireo isan-taranaka, izay nahazoana nandoa ny volan’ny Entreprise ara-potoana isam-bolana arakaraky ny ampahan’asa vita.


Singanina ireto manaraka ireto :
Ezaka Tonombola :
Io dia notanterahana isaky ny Alahady ho fanangolam-bola entina hanorenana ny Katedraly izay nandraisan’ireo : kristiana tsotra, sampana, isam-pianakaviana, ary isa-taranaka anjara.
Nafana fo sady nazoto tamin’io ezaka io ny rehetra, any ka nisy mihitsy ohatry ny fifaninanana masina.
Fanaovana kermesy :
Fitadiavam-bola nekena io tamin’izany fotoana izany, ka tao Antanimbarinandriana no nanaovana azy. Nandray anjara tamin’izany daholo ny mpianakavin’ny ny finoana voalaza tetsy ambony tamin’ny fitazonana stands ahazoam-bola. Tsaroana amin’izany ny fandrasaina anjara ny tarika Naly Rakotofiringa izay zanaky ny Fiangonana rahateo koa.
Seho an-tsehatra :
Tao Antsahamanitra no nanatanterahana izany, ka tantara an-tsehatra sy seho samihafa no naranty tamin’izany. Tsaroana etoana ny fandraisana anjara nataon’ny Orchestre zanakin’ny Fiangonana izay notarihin’Atoa sy Rtoa isany : Razafinohatra Bernard, Rahoerson George, Mme Pauline Razafinohatra sy ny sisa tsy voatanisa. Ambara etoana ny fandraisana anjara mavitriky ny kristiana tanora zandriny tamin’ny famerenana sy ny fiangaliana ny tantara teny an-tsehatra.
Tsara homarihina fa araka ireo voalaza ireo, dia tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany tamin’ny nanorenana ny tilikammbo. Marihina kosa fa nisy kristiana tsara sitrapo dia Ingahy Ramarokoto Eugène izay nifampiraharaha tamin’ny Banky amin’ny famenoana ny banga raha sendra misy ny tsy fahampian’ ny vola tokony ho nefain’ny Fiangonana tamin’ny Entreprise ara-potoana isam-bolana; kanefa dia tsy maintsy naverina ny volan’ny Banky amin’ny manaraka.

FANORENANA NY VATA-TRANOM-PIANGONANA :
Toy ny asa fananganan-trano rehetra dia tsy maintsy nialohavan’ny etude daholo ny asa ary nisy plan mazava tsara nahita an’ireo puits de lumière misy ny vitre cathédrale. Mbola ny Architecte Jean CIVIERA nanao ny tilikambo ihany no nanakinan’ny fiangonana izany. Tsy fantatra mazava anefa izay tena entreprise nanao ny asa. Azo heverina fa tsy nisy “garantie decennale “ io fanorenana io, satria nisy fotoana nahitana triatra (fissures) ny rindrina antsinana ka nisian’ny fanamboarana tamin’ny fotoan’androny.

FANORENANA NY RIHANA (Balcon) :
Teo ampivoriana tamin’ny volana Janoary 1965 no nanapahan’ny Komitin’ny Katedraly izay notarihin’ny Révérend F.E RABARIHOELA ny hevitra hanorenana “rihana” (balcon) ao am-piangonana ; nankininy tamin’ Andriamatoa isany : Andriambelo Willy Architecte, sy Ratsimbazafy Prosper Ingénieur, izay samy zanaky ny Fiangonana ny famolavolana (conception) sy ny fanatanterahana ny asa.
Rehefa nifandinika izy mianaka dia tapaka ny hevitra fa hatao béton armé ny foto- drafitr’asa ka tsy asiana poteaux (système poutre console) mba tsy hanelingelina ny fahitana ao ampiangonana (vue degagée).Tsy misy mihitsy ny Fiangonana ahitana rihana toa ity miorina ao Analakely ity hatramin’izao.
Natao ny Avant projet izay ny lany rehetra tamin’ izany, naranty teo ivelany io Avant-projet io izay somary nanahirana ireo nijery ny fahitana azy; koa tsy maintsy narahina fanazavana araka izay azo natao.
Rehefa naseho sy neken’ny Komitin’ny Katedraly ny Avant projet, dia nankininy tamin’Andriamatoa isany : Rabezanahary Edouard Biraom-piangonana sy Ratsimbazafy Prosper ny fitadiavana ny Entreprise hanao ny asa.
Araka izany, dia ny Entreprise CASAUBON route de Majunga no voafidy hanatanteraka ny fotodrafitr’asa natao amin’ny beton armé manontolo : noho ny fananany traik’efa sy fahaiza-manao, fitaovana ary mpiasa za-draharaha.
Tsara homarihina fa nandritry ny fanorenana, dia nisy vanim-potoana nampiasaina ny “sous-sol” misy ny dentisterie sy garage ankehitriny nanaovana fotoam-pivavahana tokony ho teo amin’ny taona 1958 hatramin’ny taona 1960. Tamin’ ny tondra-drano 1959, dia nandray tra-boina ny Fiangonana Analakely, ka tao amin’ny “sous-sol” no nametrahana azy ireo.
Nankalazaina voalohany ny krismasy tao amin’ ny tranom-piangonana ankehitriny ny taona 1960.
Izay raha tsiahivina ny tantara nananganana ho katedraly ny fiangonantsika.

NY FANATSARANA SY FANAMBOARANA TATY AORIANA
Rehefa vita manontolo ireo foto-drafitr’asa telo ireo, dia notokanana tamin’ny 17 Janoary 1973 ny Katedraly Analakely ka tao anatin’izay ny trano fiangonana, ny balcon sy ny efitrano ambony rihana izay ampiasain’ny TAFIKA sy ny KATEKOMENA ankehitriny.
Nifanindran-dàlana tamin’ny fananganana ny katedraly koa ny nanamboarana ny dabiliom-piangonana tamin’ny taona 1970 sy 1971 amin’izao endrika hitantsika izao. Tamin’ny alalan’ny tantara an-tsehatra izay natao teny amin’ny Kolejy Rasalama nitondra ny lohateny hoe” Iza moa I Rajaona” no nitadiavana ny loharanom-bola nanaovana izany.
Ankoatr’izay dia nandritra ny fankalazana ny faha-120 taona ny Sekoly Alahady no nametahana ireo Lambris manodidina ny rindrina ety ambany rihana izay vita amin’ny palissandre.


Nanomboka ny taona 2000 dia nifandrombonan’ireo taranaka nifandimby ny fanamboarana tato anatin’ny trano fiangonana izay toy izao avy :
– navaozina ny efitra rihana fahatelo ka lasa Bibliotekan’ny Fiangonana
– natsaraina ny efitra rihana faharoa izay ampiasain’ny TAFIKA ankehitriny
– naorina ny Pergola izay nasiana jet d’eau teo an-tokontanim-piangonana. Fa noho ny rano nitsika tao ambany dia voatery noesorina taty aoriana
– navaozina ny sous sol izay misy ny Garage sy Dispensaire ankehitriny
– napetraka ny lakolosy elektronika izay efa simba ihany koa noho ny varatra nilatsaka tamin’ny taona 2020
– namboarina daholo ny arofanin’ny totohatra sy ny ambony rihana rehetra
– nasiana taila na carreaux ny ambony rihana rehetra
– nanamboarana dabilio ny rihana ambony
– natao ny assainissement ny tokontanim-piangonana
– nolokoina toy ny ranom-bolamena ny tuyau d’orgue
– nampiana piano numérique marque YAMAHA ny zava-manenon’ny fiangonana, ary nasiana Rideau avy eo
-nasiana moquette niloko mena ny lalan-tsara afovoany sy tety amin’ny alitara
– nasiana écran TV anankiroa natao handefasana ny programa. Marihina fa efa simba ireo roa voalohany fa sampana iray indray no nanolotra ireo


Ny fiangonana kosa dia efa niatrika fanamboarana lehibe izay toy izao avy :
– novaina tanteraka ny valin-tafo na ny plafond ka natao volige
– nasiana affichage électronique eo ivelan’ny fiangonana hahafahana mandefa Soratra Masina ka sampana iray no niantoka azy
– novaina tanteraka ny dalle marbre ny ambany rihana rehetra
– novaina ny vavahady fidirana
– navaozina ny toeram-pivoahana ny lehilahy sy ny vehivavy
– namboarina ilay rindrina nitriatra tao ambadiky ny efitry ny sekoly alahady
– nohavaozina tanteraka ny façade principale ka novaina ho menuiserie aluminium
– nasiana tsato-by ny parking ny fiangonana
– nitete loatra ny trano fiangonana ka naverina natao ny travaux d’étanchéité rehetra
– nosoloina sy nohamafisina ny jiro manazava ny anatiny sy ny ivelan’ny fiangonana


Raha izay ny dimam-polo taona lasa dia efa azo lazaina fa antitra ny trano fiangonana sy ny fitaovana ka handeha hatrehina ny dimam-polo taona ho avy :
– hotohizana ny fandokoana ny lafin’ny sisiny anankiroa amin’ny ivelan’ny trano fiangonana na ny façade laterale
– havaozina ny toeram-pivoahan’ny lehilahy sy ny vehivavy
– hasiana fialofana ny terasse anankiroa amin’ny tokontanim-piangonana
– hatsaraina ny làlan-tsara mihazo ny trano fisainana sy ny tranon’ny Sacristain
– tsy maintsy averina soloina tanteraka ny valin-tafo na ny plafond
– tsy maintsy averina ny installation électrique ny trano fiangonana ary asiana groupe électrogène na système panneaux solaire
– havaozina ireo fitaovana fampangatsiahina rehetra na ventilateur
– havaozina ny lakozian’ny Loholona sy ny Diakona
– hamboarina ho azo hampiasaina ny rihana faha-efatra, ao ambonin’ny Biblioteka
– hananganana efitra kely fiasana ny Biraon’ny Fitandremana sy ny Mpandinim-bola
– havaozina tanteraka ny sonorisation ny fiangonana
– havaozina tanteraka ny trano vadim-piangonana
– faniriana raha manana Akany isika Katedraly Analakely ka atao ao ambony rihana, mitovy velarana amin’ny tafo trano.
Raha amin’ny ambangovangony dia izay no handeha hatrehintsika, kanefa ho araka ny programa sy ny sitrapon’Andriamanitra.
Fa hoy ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny Filipiana 2, 13 “Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony”
Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Raki-tsoratra nangonina sy nomen’ireto olona manaraka ireto :
Atoa RATSIMBAZAFY Prosper
Atoa ANDRIAMBELO Willy
Atoa RATSIFEHERA Tafika
Atoa RATSIMBAZAFY Serge-

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email