FANOKAFANA NY JOBILY FAHA-25 TAONAN’NY SAFIF: HO FIFOHAZANA MIZARA FITIAVANA

Mankalaza ny faha-dimy amby roapolo taona niorenany ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Katedraly Analakely amin’ity taona 2023-2024 ity ary notanterahina ny alahady 23 aprily 2023 lasa teo ny fanokafana ny jobily fankalazana araka ny fombam-piangonana. « FIFOHAZANA MIAINA SY MAMPIAINA NY FIFANKATIAVANA » : io no hafatra makadiry nampitain’ny mpitandrina ho an’ireo mpikambana, izay samy nisalotra […]