FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FANOKAFANA NY JOBILY FAHA-25 TAONAN’NY SAFIF: HO FIFOHAZANA MIZARA FITIAVANA

Mankalaza ny faha-dimy amby roapolo taona niorenany ny Sampana Fifohazana (SAFIF) Katedraly Analakely amin’ity taona 2023-2024 ity ary notanterahina ny alahady 23 aprily 2023 lasa teo ny fanokafana ny jobily fankalazana araka ny fombam-piangonana. « FIFOHAZANA MIAINA SY MAMPIAINA NY FIFANKATIAVANA » : io no hafatra makadiry nampitain’ny mpitandrina ho an’ireo mpikambana, izay samy nisalotra akanjo fotsy avokoa.

« Hontsa ve ny fonareo raha manoloana anareo ny marary ? » hoy ny fanontaniana napetraky ny mpitandrina. «Andriamanitra manan-karena amin’ny famindram-po ilay Andriamanitra ivavahantsika», hoy Izy, ka « mila manovo ao amin’ilay loharanom-pitiavana tsy mety ritra ianareo mba hisehoan’ny herin’Andriamanitra rehefa manao asa ianareo ». Notsiahivin’ny filohan’ny SAFIF nandritra ny fandraisam-pitenenany ny tantaran’ny sampan’asa.

Ny volana febroary faha-1998 no nijoro ny sampana ary nitombo isa hatrany ny mpikambana ao anatiny izay mahatratra 120 ankehitriny. Ny fahasoavan’Andriamanitra no deraina amin’izany, hoy izy. Mizara fito ny andraikitry sahanin’ny SAFIF : ny fitoriana ny filazantsara, ny fandroahana demonia, ny fampaherezana ny olona amin’ny alalan’ny fametrahan-tànana, ny fanasitranana marary, ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana, ny fitadiavana ny fampiraisana, ary ny farany dia ny fiainana sy fampiainana ny fifankatiavana. Mba hanamarihana izao dimy amby roapolo taona izao dia hisy hetsika maro samy hafa hokarakarain’ny SAFIF Katedraly Analakely mandritra ny volana mifandimby, toy ny asa fampaherezana.

Entanina dieny izao isika mpiangona hitondra ny anjara biriky tandrify antsika amin’izao jobily izao. Mazava ny tanjon’ny fankalazana : mba hanan-karena amin’ny fitiavana ny SAFIF, ary ny mpianakavin’ny finoana iray manontolo. Hita taratra rahateo izany amin’ny fara-tenin’ny filohan’ny SAFIF : «Te hanan-karena ve isika ? Mitsangàna, mihazavà fa tonga ny fahazavanao. Miorena tsara, aza miova. Fa asany isika, voaforona tao amin’i Kristy Jeso mba hanao asa tsara, izay namboarin’Andriamanitra rahateo mba handehanantsika ao aminy ».

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email