SAFIF FJKM KATEDRALY ANALAKELY : HANANGANA AKANY FITAIZANA TANORA

Ho fahatsiarovana ny faha-25 taona niorenany dia manana vinavinan’asa ny Sampana Fifohazana (SAFIF) eto amin’ny Katedraly Analakely. Tsangambato no hajoro amin’ity taom-pankalazana ity. Akany fitaizana tanora no atsangana mandritra ny dimy taona manaraka (2024-2028). Fanamby amin’izany ny fitaomana ireo madiniky ny Tompo hifindra lasy, hiala amin’ny fahotana ka hialoka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ary ny fikoloana […]