FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SAFIF FJKM KATEDRALY ANALAKELY : HANANGANA AKANY FITAIZANA TANORA

Ho fahatsiarovana ny faha-25 taona niorenany dia manana vinavinan’asa ny Sampana Fifohazana (SAFIF) eto amin’ny Katedraly Analakely. Tsangambato no hajoro amin’ity taom-pankalazana ity. Akany fitaizana tanora no atsangana mandritra ny dimy taona manaraka (2024-2028). Fanamby amin’izany ny fitaomana ireo madiniky ny Tompo hifindra lasy, hiala amin’ny fahotana ka hialoka eo ambany fahasoavan’Andriamanitra ary ny fikoloana azy ara-panahy, ara-tsaina sy ara-batana. Tsy an-jaza nefa ny fotodrafitr’asa ka mila ny tan-tsoroky ny fiangonana.

Fanorenana tsangambato fototra
Ny faha 23 aprily lasa teo dia notronintsika am-pifaliana ny fanokafana ara-pomban’ny fiangonana ny jaobily faha-25 taonan’ny SaFIF, ary notosofina rano ny Komitin’ny fankalazana. Raha sitrapon’ny Tompo dia hisy vato fototra tsangam-bato haorin’ny sampana eo amin’ny tany izay mbola hozahana sy hovidina ary hosoratana amin’ny anaran’ny FJKM Analakely. Ny refin’ny tany dia 1 000 m2 na mihoatra. Ny oktobra 2023, izay ivon’ny fankalazana, no hotokanana io tsangambato io. Asa miandry aorian’ny famaranana ny taon-jaobily ny fananganana ny fotodrafitr’asa momba ny akany.

Fitaizana ireo madiniky ny Tompo
Zatovo sy kilonga tsy latsaky ny telopolo monina manodidina ny fiangonana no ho raisina an-tànana ao amin’ny akany. Tsy hanao tafo lanitra intsony izy ireo fa hanan-trano fatoriana, tsy handry fotsy intsony fa hisakafo ara-dalàna, tsy hihosom-bovoka intsony fa hahalala sy ho tia fahadiovana, hianatra an-tsekoly sady hisitraka kianja malalaka ialàna voly sy anaovana fanatanjahan-tena. Ankoatra ny sekoly sy ny toeram-pilalaovana, hisy ihany koa efitrano lehibe fandraisana fivoriana sy famelabelaran-kevitra ary fampisehoana izay ampanofaina mba ho loharanom-bola maharitra ho an’ny akany. Miaraka amin’ireo ny trano fivavahana hitaizana ara-panahy ireo tanora, mba hitomboany finoana ary hanampy isa ny olom-boavonjy. « Fifohazana miasa tsara : mivelona amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy. Mitondra fahavelomana ho an’ny olona rehetra. » : ho fanatanterahana izay fanamby sarobidy loatra izay no anton’izao fotodrafitr’asa izao.

Hetsika fitadiavana loharanom-bola
Efa voalamina ny hetsika fitadiavam-bolan’ny SAFIF mba ho fanohanana ny fandaharan’asa. Voalohany amin’ireny ny fampivondronana ireo zanaky ny fifohazana nasondrotry ny tany eto an-toerana sy any am-pitan-dranomasina. Alaina isa ireo mpikambana maintimolaly izay nanovo fitahiana tao amin’ny Sampana tao anatin’ny dimy amby roapolo taona nijoroany. Entanina izy ireo hanolo-tànana ny Sampana. Eo koa ny raki-pisaorana sy ny rakitra samihafa, ny fizarana valopy, omban’ny fanatanterahana rindran-kira ara-pilazantsara any ivelan’ny fiangonana. Tsara tsindriana fa ny fangatahana tolo-tànana rehetra dia atao amin’ny taratasy mazava, ampandalovina ny biraom-piangonana ary manaja ny rafi-pitantanana eo anivon’ny fitandremana.
Raisin’ny Sampana Fifohazana am-pitiavana ireo sampana hafa, sampan’asa na fikambanana vonona hiara-hiasa sy hifanampy aminy amin’izao fananganana fotodrafitr’asa izao. Azo ataon’ny Sampana anankiray ny manome alalana ny SAFIF hanao varotra na hetsika hafa alahady iray mandritra ny anjara volany. Santionany ihany io fa maro ny fiaraha-miasa azo eritreretina.

Izao jaobily faha-25 taona izao dia anamarihana indrindra ny maha-ratsam-batan’i Kristy, lohan’ny fiangonana, ny Sampana Fifohazana. Ilaina ny tan-tsoroky ny mpianakavin’ny finoana mba hanafainganana ny firosoan’ny asa sy ny fanorenana ny akany. « Toy izany koa ianareo, raha tsy mahafoy izay rehetra ananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro » (Lioka 14:33). Ho fifaliana ho antsika rehetra ny fandrosoan’ny filazantsara ho voninahitr’Andriamanitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email