Hiasa sy hitandrina saha! Fambolena ala 2024

Namboly zana-kazo mi-isa 400 teny Andanona Health Centre, Manjakandriana fianakaviamben’ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Asabotsy 9 martsa 2024 teo. Nosafidiana manokana ity toerana ity satria fitrandrahan’ny FJKM foibe an’ilay loharano hamokarana ny rano hamidy amin’ny tavoahangy ” Loharano aina” izany. Toy ny isan-taona dia ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely sy ny Fikambanan’ny Taranaka sy ny […]