FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Hiasa sy hitandrina saha! Fambolena ala 2024

Namboly zana-kazo mi-isa 400 teny Andanona Health Centre, Manjakandriana fianakaviamben’ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Asabotsy 9 martsa 2024 teo. Nosafidiana manokana ity toerana ity satria fitrandrahan’ny FJKM foibe an’ilay loharano hamokarana ny rano hamidy amin’ny tavoahangy ” Loharano aina” izany. Toy ny isan-taona dia ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely sy ny Fikambanan’ny Taranaka sy ny zanaka am-pielezana no niara-nisalahy ka nahitana Kristiana 80 isa teo.

Ny Mpitandrina mivady, ny Mpitandrina miza-draharaha mivady, ny Biraon’ny Fitandremana ary ny Biraon’ny Fikambanan’ny Taranaka sy ny zanaka am-pielezana no nitarika ny hetsika. Fambolena ala fa tsy fambolen-kazo, io no namohizana ny hetsika. Nimasoana ny fitandrovana ny ala ao an-toerana ho fitsimbinana ny famokarana ny rano madio sy ara-pahasalamana.

Karazan-jana-kazo toy ny “acacias-frêne-grevillea-jacaranda-voandelaka” no nambolena tamin’izany. Tsy mora ny nanatanteraka ny fambolena ala satria toerana nisolampy no nanaovana izany ary tsy maintsy nialohavan’ny dia tongotra satria tsy tongan’ny fiara ny toerana.

Nanamarika ny fotoana ny fiombonana sy fifankahafantarana. Anisan’ny zarain’ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael ombieny ombieny izany mba hampifamatotra bebe kokoa ny samy Kristiana sy hialana amin’ny fahazarana isaky ny alahady fotsiny. Ny programa fambolen-kazo moa dia efa tafiditra tanteraka anatin’ny tetikasan’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely isan-taona nanomboka tamin’ny taona 2022. Fotoana iray hiombonan’ny mpiara-mivavaka ivelan’ny fiangonana, ankoatran’ny fitsangatsanganan’ny fiangonana isaky ny alatsinain’ny pentekosta.

Hita teny ihany koa ny komity faha-140 taona ny sampana Sekoly Alahady izay notarihin’ny Birao. Nanararotra nanamafy fanentanana izy ireo ny amin’ny tetikasam-pankalazana. Nisy moa ny vokatra izay nentin’izy ireo teny natakalo vola.

Raha ny tantara dia ny taranaka sy ny zanaka am-pielezana no nanomboka ny fambolen-kazo tao amin’ny fiangonana, tamin’ny taona 2022, ka notanterahina tao anatin’ny fankalazana ny faha-160 taona izany. Io tetikasa io no natao dia niantsoana ireo zanaky ny fiangonana miely ka hiverina hivondrona anatin’ny fikambanana. Ankehitriny moa dia efa tafatsanga ary mijoro ara-piangonana tsara ny fikambanana ary manana ny Birao mpitantana mahaleo tena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email