Trano vadim-piangonana : ravàna tanteraka ny rihana ambony

“Ho mandrakizay anie ny vonihahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany” Salamo 104, 31Miroso ny dingana voalohan’ny asa araka ny tetiandro dia ny fandravana sy famotehina ny rihana faharoa ka midina aty ambany. Hisaorana Andriamanitra fa mizotra manaraka ny tetiandro napetraka ny fandrosoan’ny asa fiomanana mialoha ny fanombohan’ny asa gros-œuvres infrastructure sy superstructure.