Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

Trano vadim-piangonana : ravàna tanteraka ny rihana ambony

« Ho mandrakizay anie ny vonihahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » Salamo 104, 31Miroso ny dingana voalohan’ny asa araka ny tetiandro dia ny fandravana sy famotehina ny rihana faharoa ka midina aty ambany. Hisaorana Andriamanitra fa mizotra manaraka ny tetiandro napetraka ny fandrosoan’ny asa fiomanana mialoha ny fanombohan’ny asa gros-œuvres infrastructure sy superstructure.

SAMPATI XVè : mankalazana ny faha-75 taona

II Timoty 3:17b, « … ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa antsakany sy andavany ny fotoan-dehiben’ny  SAMPATI XVème izay notanterahina ny Alahady 16 Martsa 2025. Misaotra ny raiamandreny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana , ny Mpitandrina miza-draharaha , ny raiamandreny Mpitandrina Ravalomanana mivady , ny Filoham-boninahitra Atoa Rajaonera Freddy mivady , […]

Havaozina ny Trano vadim-piangonana

« Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » Salamo 104, 31 Asa goavana indray no hatrehin’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ity taona 2025 ity. Havaozina tanteraka ny trano vadim-piangonana, folo volana no farahetan’ny asa, ny 19 desambra 2025 no tokony hiverina hipetraka ao ny Mpitandrina sy ny ankohonany raha ny tetiandron’ny KTT.

MIJORO NY VAOMIERA ARSIVA

« Ny horonan-taratasy, ny vakoka volamena…efa napetrany teo amin’ny efi-trano » Jer 36, 20a – I Mpanj 6, 21bAo anatin’ny tetiandron’ny FJKM Foibe, ny alahady fahatelon’ny volana febroary dia Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka. Koa nosafidian’izy ireo ny FJKM Katedraly Analakely hankalazana izany, ny Alahady 16 febroary 2025 lasa teo. Notokanana ihany koa nandritra io Alahady io ny […]

Faha-dimy taonan’ny FI.MPI.Z.K.A : ORGA HAMMOND no tanjona

« Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitr » Joba 38, 7a Dimy taona nijoroana ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely. Ny naha-fikambanana no feno dimy taona, fa raha ny mpitendry zava-maneno dia efa nanana ny toerany sy ny tantarany teto @ asa fampiainana ny fiainam-piangonana hatramin’izay. Ny alahady 26 janoary 2025 no nosokafana […]

HAFATRA 2025 : RAISO JESOA

Deotoronomia 11, 12b « ny mason’i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany »Teny fampanantenana lehibe ho an’ny taona izay hodiavina no nozaraina nandritra ny fiaraha-mivavaka ny Alarobia 01 janoary 2025.Fanontaniana roa no nisarihana ny sain’ny mpino :1/ te hahery ve ianao mandritra ny taona 2025 ?2/ te hahazao ny fiainana mandrakizay ve […]

KRISMASY TENA IZY

Ho teraka ao am-ponao ny faniriana hiara-monina amin’i Jesoa KristyHo teraka ao am-ponao ny faniriana ho voavela helokaMatio 1, 18-25Ireo no votoatin’ny hafatra Krismasy nozarain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 25 desambra 2024. Ny volana desambra no anisan’ny volana feno programa raha ny tetiandron’ny FJKM Katedraly Analakely izay manodidina ny fankalazana ny Krismasy avokoa.

FJKM Zoara Famonjena Antetezana sy ny STK Zokiny

« Manangàna faneva ho tazan’ny firenena » Isaïa 63 :10Miarahaba antsika nahatratra ny krismasy 2024 ary mirary antsika hiaina ny krismasy « tena izy », krismasin’i Jesoa Kristy. Miarahaba ihany koa nahazo taom-baovao 2025.Anatin’ny fandaharanasan’ny STKZ ny famangiana fiangonana ivelan’ny synodam-paritany, ka tamin’ity taona ity dia ny FJKM Zoara Famonjena Antetezana, Fitandremana Iharana, fokontany Antaratasy, Commune Foulpointe […]

SAMPATI : notokanana ny tsangambato faha-70 taona

IANAREO NO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO Izany teny filamatry ny SAMPATI izany no nentina niarahabana ny mpianakavin’ny finonana ny Alahady 17 novambra 2024 lasa teo. Notokanana nadritra io andro io koa ny efitranon’ny SAMPATI, izay tsangambato ny faha-70 taona.