FANAVAOZANA 2024
“ Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. “Jaona 15 :16Ry Fiangonana MalalaAtao ahoana ny tsy hisaotra ny Tompo noho ny Fitiavany lehibe ka nahatontosa ny fanavaozana rehetra […]
MAHAIZA MIZARA

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asa. 20 :35 Ny sabotsy 26 oktobra 2024, ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny dia nanatontosa ny « Mahaiza Mizara », hetsika efa fanaony isan-taona, izay hahitana fizarana maro samihafa mety hahasoa ny mpikambana sy ny ankohonany. Natomboka tamin’ny 11 ora ary nifarana tamin’ny 4 ora tolakandro ny fotoana.
SEKOLY ALAHADY KATEDRALY ANALAKELY – FJKM AMBOHIMAHAVELO

« Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra »Fifaliana ho an’ny sampana SEKOLY ALAHADY ny manolotra ho anareo ny tsara ho fantatra momba ny antony sy safidy an’Ambohimahavelo hanorenana FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara)Araka ny fivoriana nataon’ny Synoda lehibe, sy araka ny tetikasa asa Fitoriana Filazantsara FJKM dia tapaka fa hanokatra sekoly […]
SAMPANA T.A.FI.K.A – 15 TAONA NITAIZANA TANORA

Noho ny fitantanan’Andriamanitra tompon’ny asa dia nahatratra ny faha-15 taona niorenany ny sampana Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely na ny T.A.Fi.K.A. Ny Alahady 14 jolay 2024 no nisokatra ara-pombam-piangonana ny fankalazana ka nanolorana ireo komity izay hamolavola ny fankalazana. Tsiahy fohyNy fitambaran’ny STK Zandriny sy ny antoko mpihira A.M.A.A.F (Antoko Mpihira Analakely Akon’ny Fiderana) teo […]
VFL KATEDRALY ANALAKELY : TOHANA HO AN’NY FIANGONANA

« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? » Matio 5, 47aIzany andinin-tsoratra masina izany no nentin’ny Sampana Vondrona Fototra Laika nanehoana ny voninahitr’Andriamanitra nandritra ny dimy taona nitsanganana ka nampiroborobo ny fanjakan’Andriamanitra ety an-tany dia ny FJKM Katedraly Analakely, izay sehatra hiasan’izy ireo. Eny tokoa, dimy taona nitaizana sy nanabeazana ny fiangonana hanolotra […]
SEKOLY ALAHADY : IVON’NY FAHA-140 TAONA

» Fa hianao kosa dia mahareta amin’izay zavatra nianaranao sy nampinoana anao », II Tim 3: 14a« Aza matahotra ny mampianatra ny tenin’Andriamanitra fa momba antsika Izy » Asa 18, 9b Ireo andalan-tsoratra masina ireo no nanakoako nandritra ny ivon’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-140 taona ny Sekoly Alahady FJKM Katedraly Analakely. Ny alarobia 12 jona 2024 no […]
Hiasa sy hitandrina saha! Fambolena ala 2024

Namboly zana-kazo mi-isa 400 teny Andanona Health Centre, Manjakandriana fianakaviamben’ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Asabotsy 9 martsa 2024 teo. Nosafidiana manokana ity toerana ity satria fitrandrahan’ny FJKM foibe an’ilay loharano hamokarana ny rano hamidy amin’ny tavoahangy » Loharano aina » izany. Toy ny isan-taona dia ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely sy ny Fikambanan’ny Taranaka sy ny […]
Atao inona ny lalàna ?

Galatiana 3, 15-18
NIVOAKA NY RAKI-TSARY VOALOHAN’NY AMA : NY HATSARANY

Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny famokarana ny raki-tsary voalohany izay mirakitra ireo clip ny Antoko Mpihira Analakely, ka nitondra ny lohateny hoe : « Ny Hatsarany ». Ny volana febroary 2023, izay iray volana natokan’ny fiangonana ho an’ny AMA no namoahana izany tamin’ny fomba ara-piangonana.
