FANTARO NY ZAVA-MAHADOMELINA SY NY FIASANA

Nandritra ny zoma mahafinaritra izay notanterahin’ny sampana TAFIKA no nandraisan’ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael sy ny Dokotera RAKOTOARIVONY Manitra anjara, ho fanazavana sy fampianarana ny zava-mahadomelina izay efa miparitaka eo anivon’ny tanora amin’izao fotoana izao.
ZAVA-MAHADOMELINA : DINGANA 14 NY ZANAKA ADALA

FILAM-BANINY (Lioka 15, 12) : fiantombohan’ny fikorontanana eo amin’ny fiaraha-monina. Mahatsiaro tsy afa-po, manome tsiny ny hafa. Foana ny acceptation de soi ka mamorona endrika vaovao.
