FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FAHA-70 TAONAN’NY SAMPATI FIVONDRONANA TARATRA FAHA-XV KATEDRALY ANALAKELY

Ny 15 Oktobra 1950 no notokanana ny Fivondronana Taratra faha XV.

Isaorana ny Tompo raha afaka mankalaza ny Anarany isika amin’izao faha-70 taona niorenan’ny Sampana Mpanazava sy Tily Fivondronana Taratra XV eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely izao.

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao” ; izany tenin’ny Soratra Masina izany, izay hita ao amin’ny Matio 5:14 no natao teny faneva ary izany koa no entina iarahabana antsika amin’ity andro lehibe anio ity.

Mampatsiahy fa ny zava-kendren’ny SAMPATI dia ny hanolokolo sy hanabe ny ankizy sy ny tanora ho vavolombelon’i Kristy, ho tanora vanona sy vonona mandray andraikitra eo amin’ny Fiangonana sy ny Firenena.

Teo ambany fitahian’ny Tompo nandritra izay 70 taona izay dia niezaka hatrany ny SAMPATI nanatratra ireo zava-kendrena ireo. Maro dia maro, aman’arivony ireo olona nisitraka izany ary ny SAMPATI faha-XV dia tsy mitsahatra ny mandroso hatrany mitondra fiovana eo anivon’ny tontolo sy ny fiaraha-monina.

Mandritra ny 2 taona ny fankalazana ny faha-70 taona : manomboka izao volana novambra 2019 izao ary mifarana amin’ny volana novambra 2021.

Ireto ny tsangambato ho atao :

  1. Fividianana fiara Sprinter iray, mitentina 35 tapitrisa Ariary, ho fidirambola maharitra sy ampiasaina amin’ny lasy sy ny fivoahan’ny Sampana
  2. Fampitaovana sy Fanatsarana ny local SAMPATI mitentina 5 tapitrisa Ariary
  3. Lasy Jobily atao any Toliara mitentina 10 tapitrisa Ariary
  4. Ary farany nefa tsy ny kely indrindra dia ny fananganana ny FMT2S na Fikambanan’ny Mpanazava sy Tily Tranainy ary ny Sakaiza mpanohana eto amin’ny Fiangonana

Toy izao ny fandaharam-potoana ny fankalazana :

  • Androany 17 Novambra 2019 ny fanompoam-pivavahana fanokafana
  • Ny Alahady fahatelon’ ny volana Novambra 2020 ny fanompoam-pivavahana, ivon’ny fankalazana
  • Ny Volana oktobra 2021 no fanompoam-pivavahana famaranana, mandritra ny Lasy Jobily hatao any Toliara

Raha momba ny hetsika ho enti-manana ny tsangambato dia hisy ny sakafom-pifaliana, ny rindran-kira, ny valopy Jobily, ny rakitra volamena …

Anisan’izany koa ny tee-shirts sy foulard 70e azonareo jifaina etsy am-pihaviana. Ny Boky Volamena kosa dia tahiry an-tsoratra anehoana ny fiombonantsika ka maniry ny hanoratantsika rehetra ao anatin’izany Boky izany, ny sarinao kosa afaka apetraka amin’ny andro hafa.

Satria ny Fiangonana manontolo no mankalaza an’Andriamanitra, ary na dia maro aza isika dia iray ihany ao amin’ny Tompo, dia manentana antsika rehetra hifampitrotro am-bavaka, hifanohana, hiara-mientana satria “Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo” 1 Kor 15:58

Miantso manokana ireo rehetra efa nandalo tato amin’ny SAMPATI hanao ezaka lehibe araka izay tratra ka hametraka ny dian-tanantsika amin’ireo zandry ireo : Skoto indray andro, Skoto isan’andro ary Skoto mandrakizay.

Ho famaranana :

  • Misaotra ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickaël amin’ny fiahiana sy ny tolo-kevitra rehetra nomeny
  • Misaotra ny Filohan’ny SAMPATI Foibe, ny Mpitandrina RABEMANANDRATRARIVO Lanto Johnson mitondra ny tenin’Andriamanitra
  • Mirary soa sy fahombiazana ho an’ny SAMPATI Fivondronana Taratra faha XV hahaleo sy hahalasana ka “Hianareo tokoa no ho fahazavan’izao tontolo izao” Matio 5:14.

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra, Amena.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email