Trano vadim-piangonana : ravàna tanteraka ny rihana ambony

« Ho mandrakizay anie ny vonihahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » Salamo 104, 31Miroso ny dingana voalohan’ny asa araka ny tetiandro dia ny fandravana sy famotehina ny rihana faharoa ka midina aty ambany. Hisaorana Andriamanitra fa mizotra manaraka ny tetiandro napetraka ny fandrosoan’ny asa fiomanana mialoha ny fanombohan’ny asa gros-œuvres infrastructure sy superstructure.
SAMPATI XVè : mankalazana ny faha-75 taona

II Timoty 3:17b, « … ho vonona tsara ho amin’ny asa tsara rehetra » Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tontosa antsakany sy andavany ny fotoan-dehiben’ny SAMPATI XVème izay notanterahina ny Alahady 16 Martsa 2025. Misaotra ny raiamandreny Mpitandrina sy ny biraom-piangonana , ny Mpitandrina miza-draharaha , ny raiamandreny Mpitandrina Ravalomanana mivady , ny Filoham-boninahitra Atoa Rajaonera Freddy mivady , […]
Havaozina ny Trano vadim-piangonana

« Ho mandrakizay anie ny voninahitr’i Jehovah ; aoka Jehovah hifaly amin’ny asany » Salamo 104, 31 Asa goavana indray no hatrehin’ny FJKM Katedraly Analakely amin’ity taona 2025 ity. Havaozina tanteraka ny trano vadim-piangonana, folo volana no farahetan’ny asa, ny 19 desambra 2025 no tokony hiverina hipetraka ao ny Mpitandrina sy ny ankohonany raha ny tetiandron’ny KTT.
MIJORO NY VAOMIERA ARSIVA

« Ny horonan-taratasy, ny vakoka volamena…efa napetrany teo amin’ny efi-trano » Jer 36, 20a – I Mpanj 6, 21bAo anatin’ny tetiandron’ny FJKM Foibe, ny alahady fahatelon’ny volana febroary dia Alahadin’ny Arsiva sy Tranombakoka. Koa nosafidian’izy ireo ny FJKM Katedraly Analakely hankalazana izany, ny Alahady 16 febroary 2025 lasa teo. Notokanana ihany koa nandritra io Alahady io ny […]
Faha-dimy taonan’ny FI.MPI.Z.K.A : ORGA HAMMOND no tanjona

« Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitr » Joba 38, 7a Dimy taona nijoroana ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely. Ny naha-fikambanana no feno dimy taona, fa raha ny mpitendry zava-maneno dia efa nanana ny toerany sy ny tantarany teto @ asa fampiainana ny fiainam-piangonana hatramin’izay. Ny alahady 26 janoary 2025 no nosokafana […]
KRISMASY TENA IZY

Ho teraka ao am-ponao ny faniriana hiara-monina amin’i Jesoa KristyHo teraka ao am-ponao ny faniriana ho voavela helokaMatio 1, 18-25Ireo no votoatin’ny hafatra Krismasy nozarain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 25 desambra 2024. Ny volana desambra no anisan’ny volana feno programa raha ny tetiandron’ny FJKM Katedraly Analakely izay manodidina ny fankalazana ny Krismasy avokoa.
FANAVAOZANA 2024
“ Tsy hianareo no nifidy Ahy, fa izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo, mba homen’ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny anarako na inona na inona. “Jaona 15 :16Ry Fiangonana MalalaAtao ahoana ny tsy hisaotra ny Tompo noho ny Fitiavany lehibe ka nahatontosa ny fanavaozana rehetra […]
Hiasa sy hitandrina saha! Fambolena ala 2024

Namboly zana-kazo mi-isa 400 teny Andanona Health Centre, Manjakandriana fianakaviamben’ny FJKM Katedraly Analakely tamin’ny Asabotsy 9 martsa 2024 teo. Nosafidiana manokana ity toerana ity satria fitrandrahan’ny FJKM foibe an’ilay loharano hamokarana ny rano hamidy amin’ny tavoahangy » Loharano aina » izany. Toy ny isan-taona dia ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely sy ny Fikambanan’ny Taranaka sy ny […]
NIVOAKA NY RAKI-TSARY VOALOHAN’NY AMA : NY HATSARANY

Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny famokarana ny raki-tsary voalohany izay mirakitra ireo clip ny Antoko Mpihira Analakely, ka nitondra ny lohateny hoe : « Ny Hatsarany ». Ny volana febroary 2023, izay iray volana natokan’ny fiangonana ho an’ny AMA no namoahana izany tamin’ny fomba ara-piangonana.
