FJKM KATEDRALY ANALAKELY

NIVOAKA NY RAKI-TSARY VOALOHAN’NY AMA : NY HATSARANY

Isaorana ny Tompo fa tontosa soamantsara ny famokarana ny raki-tsary voalohany izay mirakitra ireo clip  ny Antoko Mpihira Analakely,  ka nitondra ny lohateny hoe : « Ny Hatsarany ». Ny volana febroary 2023, izay iray volana natokan’ny fiangonana ho an’ny AMA no namoahana izany tamin’ny fomba ara-piangonana.

Tsy irony kapila mangirana irony intsony no mirakitra ny hira fa clé USB izay efa fampiasan’ny manana sangan’asa rehetra.  Ny mampiavaka azy io dia misy endriny henoina fotsiny (format audio) sy endriny misy feo sy sary na clip (format video). Tsara ny vokatra satria matihanina avokoa no nantsoin’ny antoko mpihira nanatontosa izany, nanomboka tany amin’ny fandraisam-peo, ny fangalana ny horonan-tsary isan-karazany. Inty moa ny raki-tsary voalohany ny AMA izay misy feo sy sary na Clip, raki-kira fahaefatra kosa.

Misy hira fito ao anatiny : Hira Faneva, Haleloia Haleloia (Salamo 117), Alfa, Ny Mifankatia, Ampy ahy, Vonjeo, Ny Hatsaràny. Misy amin’izy ireo hira nahafantarana ny  AMA hatramin’izay ary misy koa ny hira vaovao. Gadona mifangaro no re ao anatiny toy ny classique, gasigasy ary koa variétés, izany hoe natao samy hahazo ny anjarany avy ny tsirairay. Natao ihany koa izany hanehoana ny fifankatiavan’ny mpikambana sy ny firaisana ao amin’ny Tompo anatin’ny fahasamihafana. Hisaorana Andriamanitra noho ny talenta nomeny ireo mpamoron-kira ary hankasitrahana azy ireo ny hira natolony.

Ankoatr’izay dia mitory ny hatsaran’ilay Andriamanitra Tsitoha nahary izao rehetra izao ny hira, ny hatsaran’ny asan’ny tànany, dia ireo zava-boahary rehetra hita maso, nefa koa ny hatsaran’ny lanitra miandry antsika mpino ka mahatonga antsika tsy hitsahatra hanatitra fisaorana sy fiderana ny Tompo. Salamo19 : 1 – “Ny lanitra mitory ny voninahitr’Andriamanitra ; ary ny habakabaka manambara ny asan’ny tànany.”

Misy koa hira natao hamelombelona ny fanahy raha sendra tojo olana eo amin’ny fiainana satria ampy Jesoa, hampatsiaro ny didy lehibe dia ny hifankatiavana ary koa hamerina amin’ny làla-marina raha diso làlana eo amin’ny asa fanompoana, mba ho vonjena indray.

Namirapiratra tokoa ny hatsaran’Andriamanitra tao anatin’ny toriteny an-kira ny Alahady faha-11 Febroary teto am-piangonana. Nentina namaranana ny iray volana sady namoahana ny raki-kira dia nisy ny sakafom-pifaliana ny Alahady 25 febroary 2024 teny amin’ny espace Le Colisée Ampasanimalo. Nafana ny fitarihana sy ny fanafanana izay niarahana tamin’ny tarika Mialy Rakotomamonjy, efa ampy traikefa amin’ny hira fiderana isan-karazany. Vory lanona ny fianakaviamben’ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely, notarihin’ny Mpitandrina mivady, ireo solontenan’ny Biraon’ny Fitandremana, solontenan’ny sampana, sampanasa ary fikambanana. Nifandimbiasan’ny antoko mpihira AMA noventesina avokoa ireo hira anaty album. Nanamarika ny fotoana ihany koa ny fanomezana mari-pankasitrahana ireo birao teo aloha izay notarihan’Andriamatoa Rakotomalala Ralaimiakatra, sy ireo nitoto nahafotsy sy nahamasaka ny raki-tsary. Nifanojo moa tamin’ny nanamarihana ny fahadimy taona niarahan’ny Mpitandrina sy ny fiangonana niasa ny andro ka nisy ny fiarahana nanapaka mofo mamy.

Anterina hatrany ny fisaorana sy fankasitrahana ho an’ireto manaraka ireto :

  • Andriamanitra lehibe nanome ny talenta , nanafy hery tamin’ny asa rehetra natao
  • Ny Mpitandrina Ravelosoa Mickael sy ny Biraom-piangonana ary ny Kristiana eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely, ireo rehetra nanohana ara-pitaovana, ara-bola ary nitondra am-bavaka
  • Ny Birao mpiahy ny AMA
  • Ireo mpamoron-kira
  • Ireo mpikambana rehetra
  • Ny sampana, sampanasa, fikambanana, komity sy ny vaomiera misy eto amin’ny fiangonana.

Ity raki-kira « Ny Hatsarany »ity dia efa azo jifaina amin’ireo Biraon’ny antoko mpihira eo am-piangonana ary koa ao amin’ny Librairie Antso Analakely. Misy amin’ireo hira ao anatiny raha teo efa heno eny anivon’ny tambazotran-tserasera, fahita lavitra sy onjam-peo samihafa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email