FJKM KATEDRALY ANALAKELY

12 SEPTAMBRA 2021 – IVON’NY FANKALAZANA : FIJOROANA VAVOLOMBELONA FA VELONA NY FIANGONANA

Efa voafaritra tao anatin’ny tetiandron’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely fa ny Alahady 12 septambra 2021 no ivon’ny fankalazana ary niseho tokoa ny voninahitr’Andriamanitra fa velona ny fiangonana.

Zava-baovao no nomanin’ny komitin’ny fankalazana tamin’io andro io satria dia natomboka tamin’ny diabe izany. Niainga teny amin’ny gara soarano ny maraina tamin’ny 8 ora ary nihazo ny trano fiangonana. Ny Mpitandrina, ny Biraon’ny Fitandremana, ny Komitin’ny fankalazana no nialoha làlana ary nanaraka tao aoriana ireo sampana, sampanasa sy fikambanana velona teto am-piangonana. Nohazavain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny anton’ny diabe, dia ny fijoroana vavolombelona eo anivon’ny fiaraha-monina fa velona ny fiangonana. Nisy mihintsy moa ny fiara nitarika ka nanao fanentanana isan-karazany.

Nandritra io ivon’ny fankalazana io ihany koa no notanterahina ny fiarahabana ireo Mpitandrina zanaky ny fiangonana, ny Biraon’ny Fitandremana rehetra nandalo ka nanao ny asa fanompoana, ireo mpiasam-piangonana rehetra toy ny mpandraharaha, ny mpiandry ary ny mpanadio ny fiangonana. Tsy adino ihany koa ny nankasitraka ny namorona ny hira faneva sy ny sary famantarana. Notolorana mari-pahatsiarovana daholo izy ireo noho izany.

Tantara hijanona ho an’ny fiangonana io andron’ny ivon’ny fankalazana io satria tena nomanin’ny komity ho niavaka tokoa, izany dia ho voninahitr’Andriamanitra irery ihany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email