FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Fanokafana ny faha-160 taonan’ny Fiangonana

Nosokafana tamin’ny fombam-piangonana ny Alahady 20 desambra 2020 teo ny fankalazana ny faha-160 taonan’ny FJKM Katedraly Analakely.

Ny taona 1861 no niorina teo Analakely ny fiangonana ka mbola tafo-bozaka no niandohany. Nisy ny fivoriana niarahan’ireo mpitarika fivavahana tamin’izany ka nivoatra tsikelikely ny endriky ny fiangonana. Ankehitriny, noho ny fitantanan’Andriamanitra, dia nahatratra 160 taona ny fiangonana.

Haharitra herintaona ny fankalazana ka maro ny hetsika kasaina hatao ho fiatrehana izany. Efa mitsangana rahateo ny Komity izay hikarakara ny fankalazana ary natolotra teo anivon’ny fiangonana ireo birao voafidy hitarika izany.

Biraon’ny Komity fankalazana ny faha-160 taona

Tsangam-bato roa lehibe no kasaina hapetraka ho mariky ny fankalazana dia ny fanavaozana tanteraka ny trano fiangonana eto Analakely sy ny fananganana fiangonana any Ampandraikilandy. Ny teny faneva nofidian’ny Komity ho fankalazana ny faha-160 taona moa dia izay voasoratra ao amin’ny Jeremia 31, 21a : « Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangam-bato. »

Ny voninahitra dia ho an’Andriamanitra irery ihany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email