MIVERINA MISOKATRA NY FIANGONANA NY ALAHADY

Taorian’ny fivorian’ny Biraon’ny Fitandremana ny Alakamisy 4 jona 2020 lasa teo dia tapaka fa hiverina hisokatra ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely isaky ny Alahady. Izany dia noho ny fivoahana tsikelikely tao anatin’ny fihibohana izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny valan’aretina. Tsapa tokoa ny fahabangana teo anivon’ny Mpino Kristiana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny amin’ny […]

FENO 125 TAONA NY FIFOHAZAM-PANAHY (9 Jona 1895 – 9 jona 2020)

Tamin’ny 9 Jona 1895, raha niara-nivory tao amin-dRainisoalambo izy 13 mianadahy, ka nihira tamin-kafanam-po sy nifandimby nivavaka ary nandinika ny Soratra Masina, dia nihovitrovitra ny trano. Ary injany nisy feo nanao hoe : «Hamonjy ny oloko Aho, ary ianareo no hitory ny fibebahana aminy». Nilatsaka ny Fanahy Masina, ka nameno azy rehetra. Nitsangana Rainisoalambo, nivavaka, […]