FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MIVERINA MISOKATRA NY FIANGONANA NY ALAHADY

Taorian’ny fivorian’ny Biraon’ny Fitandremana ny Alakamisy 4 jona 2020 lasa teo dia tapaka fa hiverina hisokatra ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely isaky ny Alahady. Izany dia noho ny fivoahana tsikelikely tao anatin’ny fihibohana izay fepetra noraisin’ny fitondram-panjakana eo anatrehan’ny valan’aretina.

Tsapa tokoa ny fahabangana teo anivon’ny Mpino Kristiana teto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny amin’ny fiombonam-bavaka nandritra izay telo volana niainan’ny firenena ny fisian’ny valan’aretina izay. Nisy tokoa ny fepetra noraisain’ny fitondram-panjakana ny hanakatonana ny toerana rehetra izay mampivory olona maro ka anisan’ny voakasik’izany ny fiangonana. Nankatoavin’ny rafitra FJKM FOIBE izany ary anisan’ny manaraka ny FJKM Katedraly Analakely.

Mba hanomezana tsy an-kijanona ny sakafom-panahy ho an’ny Mpino kristiana anefa dia nampitaina tamin’ny alalan’ny fitaovan-tserasera isan-karazany ny fotoam-pivavahana sy ny toriteny, ka anisan’izany fitaovana izany ny vondrona facebook ny FJKM Katedraly Analakely, tao amin’ny youtube ary ny tranokalam-pifandraisana. Hita tokoa ny fahazotoan’ny olona manaraka izany ary efa tafiditra ao anatin’ny fahazarana isan’andro izany. Iray volana taorian’ny fihibohana dia nanapa-kevitra ny Mpitandrina Ravelosoa Mickaël fa hanatanteraka fivoriam-bavaka isa-maraina izay hitondrana ny mofonaina isan’andro napetraky ny Sekoly Alahady. Isaky ny alatsinainy ka hatramin’ny zoma io mofonaina io izay manomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina. Ny sabotsy maraina moa dia ny maraim-baovaon’ny Sampana Fifohazana.

Na izany aza anefa dia tsapa ny fahabangana teo amin’ny fiombonam-bavaka aty am-piangonana satria ireo fotoana rehetra ireo dia voafetran’ny isa 50 izay napetraky ny Fanjakana. Tsapa ihany koa ny hetahetan’ny Kristiana te hiditra ny trano fiangonana satria efa maro ny alahady tsy nanaovana izany.

Isaorana Andriamanitra fa miroso tsikelikely amin’ny fivoahana amin’ny fihibohana ny fanjakana ka nanomboka nivoha ny fiangonana ny Alahady 7 jona 2020 lasa teo. Miditra in’efatra ny fotoam-pivavahana ka amin’ny 6 ora sy sasany, amin’ny 8 ora, amin’ny 9 ora sy sasany ary amn’ny 11 ora atoandro. Raha 50 no isan’ny mpiangona neken’ny fanjakana tany am-piandohana dia afaka nangataka 150 ny FJKM Katedraly Analakely. Hinoana ny hivahan’izany tsikelikely eo ambany Fitahian’Andriamanitra mba ho vory lanona indray ny Mpino Kristiana rehetra

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email