Ezaka Baiboly sy Fihirana ho an’Ampandriankilandy

Araka ny toromarika nomen’ny Biraon’ny Fitandremana dia handray anjara amin’ny Tafika Masina any Ampandriankilandy, Faritra Antsohihy amin’ny 14 hatramin’ny 19 aprily ho avy izao ny Sampanasa Biblioteka. Ankoatra ny fanomezana boky fianarana ho an’ireo mpianatra eny an-toerana, hisy koa ny fizarana Baiboly sy Fihirana ary boky kristiana. Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric ny […]

Hafakely ny fiaraha-miasan’ny Sekoly Alahady sy Biblioteka

Tao amin’ny efitranon’ny Biblioteka no nianatra sekoly alahady ny kilasy ankizy kely tamin’ny Alahady 14 febroary 2021 lasa teo. “Endrey ny fifalian’ireto mpianatra mandoko sy manao sary!”, hoy ny mpampianatra azy ireo. Amin’ity taona ity, imasoan’ny Biblioteka manokana ny tetikasa miaraka amin’ny ankizy sy ny tanora. Isan’izany tetikasa izany ny fandefasana horonantsary manokana hoan’ireo zanatsika […]