FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Ezaka Baiboly sy Fihirana ho an’Ampandriankilandy

Araka ny toromarika nomen’ny Biraon’ny Fitandremana dia handray anjara amin’ny Tafika Masina any Ampandriankilandy, Faritra Antsohihy amin’ny 14 hatramin’ny 19 aprily ho avy izao ny Sampanasa Biblioteka. Ankoatra ny fanomezana boky fianarana ho an’ireo mpianatra eny an-toerana, hisy koa ny fizarana Baiboly sy Fihirana ary boky kristiana.

Taorian’ny fihaonana tamin’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric ny Zoma 19 febroary 2021 lasa teo dia anisan’ny hetahetan’ny fiangonana any an-toerana ny hanana Boky Kristiana maromaro satria endrika iray hitaizana sy hanabeazana ireo ankizy sy tanora ny boky. Maro tokoa mantsy ny tanora any an-toerana ka lasa mirenireny eny amin’ny tanàna fotsiny noho ny tsy fahampian’ny sehatra fitaizana.

Ny sampanasa Biblioteka moa dia hikasa ny hanangana toerana famakiam-boky any Ampandriankilandy, ka ao am-piangonana no toerana hasiana azy. Raha ny filazan’ny Mpitandrina dia voatery miakatra mankany Antsohihy ireo tanora mpianatra raha te handranto fianarana amin’ny alalan’ny boky.

Koa momba izany indrindra, manentana antsika mpiangona eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely sy ny zanaka am-pielezana, na eto an-toerana na any ampitan-dranomasina, ny Biblioteka amin’izany ezaka izany. Na tonta izany na mbola vaovao, afaka aterina ao amin’ny mpandraharahan’ny fiangonana, na koa any amin’ny rihana fahatelo izay misy ny Biblioteka. Ankasitrahana sahady ireo izay efa nandray anjara. 

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email