FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Haingana tokoa ny asa

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangambato » Jeremia 31, 21a Ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA no tsangambato faharoa nankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely. Enim-bolana taorian’ny nandatsahana ny vato fototra, ny faha-19 jona 2022 lasa teo dia mitsangana ny fiangonana ankehitriny, voatafo ny 80% ary efa nampiasaina izany nankalazana ny Kirsmasy 2022.

AMPANDRAIKILANDY : Sôma Krismasy 2022

II Tantara 30, 26a « Koa nisy fifaliana be tany Jerosalema » « Fifaliana » io ny teny tokana azo hilazana ny fankalazana ny Krismary 2022 tany Ampandraikilandy. Noho ny fitantanan’Andriamanitra ny fiangonany dia voatafo soamantsara ny ilany lehibe ny trano fiangonana. Afaka nankalaza ny Krismasy tao anatiny ny Kristiana tany an-toerana, eny na dia tsy mbola vita tanteraka […]