FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA : Haingana tokoa ny asa

« Manangàna famantaran-dàlana ho anao ianao, manorena tsangambato » Jeremia 31, 21a

Ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIAKILANDY FIADANANA no tsangambato faharoa nankalazana ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely. Enim-bolana taorian’ny nandatsahana ny vato fototra, ny faha-19 jona 2022 lasa teo dia mitsangana ny fiangonana ankehitriny, voatafo ny 80% ary efa nampiasaina izany nankalazana ny Kirsmasy 2022.

Noho ny andro fety krismasy sy faran’ny taona dia niato ny asa fananganana ny fiangonana ka nanao ny tomban’ezaka ny Komity Teknika niaraka tamin’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rija : nitsangana ny rindrina efatra sy ny tilikambo telo rihana, vita daholo ny asa tao vy rehetra toy ny varavarana, varavaran-kely, ny charpente métallique, vita daholo ihany koa ny asa vita amin’ny hazo rehetra, voalalotra ny ampahany amin’ny anatiny sy ivelan’ny fiangonana, voatafo ny ilan’ny trano ben’ny fiangonana.

Raha enim-bolana nanombohan’ny asa fananganana dia tena azo lazaina fa haingana ny fizotry ny asa. Nanana ny anjara asany lehibe ny Komity Teknika ny Tao trano tamin’ny alalan’ny birao aty an-drenivohitra izay manaraka tsy tapaka isan’andro ny asa vita, sy ireo mpanara-maso ny asa any Ampandraikilandy.

Hisaorana ny Tompo ihany koa ny firindran’ny asa rehetra, manomboka any amin’ny komity faha-160 taona izay mandamina ny loharanom-bola sy ny enti-manana miaraka amin’ny KTT. Teo indrindra ihany koa ny Fiangonana iray manontolo izay notarihin’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael, ny Biraon’ny Fitandremana izay manaraka akaiky ny asa ka manolo-tsaina sy manohana hatrany.

Lehibe loatra ny fandresen-dahatry ny fiangonana, na ny FJKM Katedraly Analakely na ny FJKM Ampandriakilandy Fiadanana ka niombom-po tamin’ny fampitaovana ny fananganana ny trano fiangonana. Mananika ny 140 tapitrisa ariary izao no fandaniana.

Raha fehezina dia ireto sisa ny asa hiandry ny taona 2023 :

  • Famitana ny fanafona
  • Fanaovana ny dallage ny ao anatin’ny fiangonana
  • Fampitaovana ny anatin’ny fiangonana : ny mahakasika ny alitara (pilipitra-latabatra-lakroa-lamba..), ny électricité, ny sonorisation, ny Biraon’ny Mpitandrina
  • Fandokoana ny anatony sy ny ivelany

Ny faha-10 sy 11 jona 2023 no hanokanana ny trano fiangonana, izay hotarihin’ny FOIBE FJKM sy ny Synodamparitany

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email