FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« AFTER » ISAKY NY ZOMA FARANY AMIN’NY VOLANA

« Inona no hiarovan’ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? ny fitandremana araka ny teninao » Salamo 119, 9

Hetsika iray hatsangan’ny sampana T.A.FI.K.A ( Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely) eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely ny Zoma Mahafinaritra, ka ny zoma 24 febroary 2023 no hanomboka izany, izay hanomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 7 ora alina.

Raha ny filazan’ny tanora azy dia mitovy amin’ny antsoina hoe AFTER WORK izy io, hiantsoana ny olona rehetra hiala sorisory any am-piangonana. Ny fandaharam-potoana ? fizarana sy fampianarana tsotsotra izay mikasika lohahevitry ny fiainan’ny fahatanorana ankehitriny. Arahin’ny resadresaka sy fifanakalozana maro samihafa, hirahira an-tsehatra ary larolaroan’ny fiaraha-misakafo madinika eny an-tsefatsefany eny. Raha ity andiany voalohany izay hanomboka ity dia ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael no hitarika izany, ny mpitendry zava-maneno sy ireo tanoran’ny T.A.FI.K.A ihany no hanafana.

Fotoana iray hiarovana ny tanora amin’ireo mety hevitra sy fampianarana mivoana koa io ka izay indrindra ny nisafidianana ny tenin’ny mpanao Salamo hamohizana izany. Ny lohahevitra hozaraina io zoma io aza dia ny «  mampisafidy vady aminao Andriamanitra,iza ary ilay safidinao ».

Fomba ny olona ny manokana ny zoma farany amin’ny volana ho fialam-boly sy fanamaivanana ny herinandro na iray volana ka mihaona eny rehetra eny amin’ny fomba isan-karazany. Ny FJKM KATEDRALY ANALAKELY, amin’ny anaran’ny sampana T.A.FI.K.A kosa dia manokatra koa ny varavaram-piangonana. Amin’ny maha-fiangonana azy dia manaraka hatrany ny fitaizana Kristiana izany ary.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email