Passer au contenu principal

FJKM KATEDRALY ANALAKELY

« Miorena tsara , aza miova » (1 Kor 15 : 58)

FARITRA, fomba fiasa manakaiky ny mpiangona

Andry iray lehibe ijoroan’ny fiangonana ny fiombonan’ny mpino ao aminy ary ny fifanatonany akaiky. Ny famantarana ny zava-misy eny ifotony koa dia tena manamora ny asa. Ireo no tanjona kinendry amin’ny fitsinjaram-paritra, fomba fiasa vaovao apetraka tsy ho ela eto amin’ny FJKM Analakely. Araho etoana ny fanazavana mahakasika izany.

Fanampiana ho an’ireo Akany fanabeazana sy fitaizana

Fa hoy ny Soratra Masina : « Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko. » Matio 25:40 Isaorana ny Tompo fa vita ny fanaterana ny fanomezana ireo Akany fitaizana miisa 5.Iisaorana ny tsirairay avy izay nanolotra vola sy zavatra nanampiana ireo efa nomanin’ny Fiangonana. Andriamanitra anie […]

Fikatonan’ny Fiangonana -Mpitandrina 54 no nomena fanampiana

« Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo ; eny aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia. » Jaona 13:34 -35 Misaotra ny Tompo fa vita ny fizarana ireo vola voaangotsika ho fanampiana ireo Mpitandrina eto anivon’ny SPIA-19. Ny Biraom-piangonana FJKM mihintsy […]