FJKM KATEDRALY ANALAKELY

Album “Mitafy anao”, io no namarana ny fankalazana

« ..Ary nomban’Andriamanitra ny zaza dia nitombo izy…
..Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. » Genesisy 21, 20 /Salamo 147,1b

Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa vita ary nikatona ny Alahady 19 novambra 2023 ny fankalazana ny faha-dimy taona ny Antoko Mpihira TAFIKA MIANTSA ka ny famoahana ny album “Mitafy anao” no namaranana izany tamin’ny alalan’ny concert de promotion.

Dimy volana teo no nankalazana ny faha-dimy taona ary hetsika roa lehibe no nentina nanantanterahina izany. Teo ny tantara an-tsehatra izay nolalaovin’ireo ankizy ny Alahady 23 jolay 2023 lasa teo teny amin’ny Grand Amphi DEGS Ankatso, ka nampitondraina ny lohateny hoe “FIANTSONANA MANDRAKIZAY“. Milaza indrindra ny maha-fandalovana ny tany satria tsy maharitra. Ny FIAINANA MANDRAKIZAY ihany no azo hanankinana ny fo, ary ny famaliana ny antso no làlana hahazoana izany. Ireo ankizy TAFIKA MIANTSA ihany no nilalao izany ary dimy volana no nanaovana ny famerenana. Deraina ny Tompo fa tafampita ny hafatra dia ny antso ho an’ireo Kristiana nanatrika mba hiomana sy hijery lavitra ilay FIANTSONANA MANDRAKIZAY.

Ny famoahana ny album “MITAFY ANAO” koa no anisan’ny tanjone lehibe iray tao anatin’ny fankalazana. Notsongaina ireo hira 12 nanamarika ny TAFIKA MIANTSA nandritra izay dimy taona niorenany izay. Telo volana kosa no nanaovana ny fikarakarana ny famoahana izany ary nofaranana tamin’ny concert de promotion izay natao ny faha-19 novambra lasa teo. Miavaka ny album satria raha CD na DVD no nahitana matetika izany, tamin’ny alalan’ny CLE USB misy ny sary famantarana ny fankalazana kosa no nanaovana izany tamin’ity indray mitoraka ity.

Eeto am-pamaranana dia atolotra ny fisaorana ho an’ireto manaraka ireto :

  • Andriamanitra Tompo be fitia izay nitahiry ireo ankizy nandritra ny dimy taona
  • Ny Mpitandrina sy ny Biraon’ny Fitandremana tamin’ny fanekena ireo programa rehetra nandritra ny fankalazana
  • Ireo ray aman-dreny nanohana sy nanotrona hatrany ireo ankizy
  • Ireo Kristiana nanohana ara-bola, ara-pitaovana fa indrindra nivavaka ho an’ny fankalazana
    -Ny sampana, sampanasa ary ny fikambanana izay nifandray tsy tapaka tamin’ny TAFIKA MIANTSA
  • Ary ny farany fa tsy ny kely indrindra dia ireo ankizy mpikambana rehetra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email