“Raha niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitr” Joba 38, 7a
Dimy taona nijoroana ny Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely. Ny naha-fikambanana no feno dimy taona, fa raha ny mpitendry zava-maneno dia efa nanana ny toerany sy ny tantarany teto @ asa fampiainana ny fiainam-piangonana hatramin’izay. Ny alahady 26 janoary 2025 no nosokafana ny fankalazana ary natolotra ny komity.
Efa an-taonany maro no nitsangana ny fikambanan’ny mpitendry zava-maneno teto amin’ny Fjkm Katedraly Analakely. Nivondrona tao anatin’ny Groupe Musical Analakely izy ireo tamin’izany. Nanana ny fahaizany sy ny toerana izy ireo raha teo amin’ny sehatry ny fitendrena mozika satria betsaka ny mpampianatra mozika matianina. Isaky ny alahady fandraisana sy fotoan-dehibe no mitambatra ny mitendry mozika ka manome aina tanteraka ny fotoam-pivavahana. Azo lazaina fa feno raha ny karazana zava-maneno satria nahitana ny instrument à vent, instrument à corde, ny orga aryny clavier.
Nandroso ny tantaran’ny fiangonana ary nanomboka nipoitra ireo zanaky ny fiangonana manana talenta. Niova teny koa ny tantaran’ny fitendrena zava-maneno tao amin’ny fiangonana ka ny taona 2020 no nahitana fiovana farany.
Eny tokoa, nanaraka ny fandaminana teo amin’ny Foibe FJKM ny mpitendry zava-manenon’ny Katedraly Analakely. Nitsangana ho fikambanana tokoa mantsy ny fitendrena zava-maneno eo anivon’ny FJKM ka zana-fdrafitra iray eo amin’ny fiangonana. FI.MPI.Z Fjkm na “Fikampabanan’ny Mpitendry Zava-maneno Fjkm” no anaran’ny fikambanana. Manana rafitra mifehy azy ny fikambanana, izay efa nankatoavin’ny ambaraongam-pitondrana teo amin’ny FJKM. Nanaraka izay fandaminana izay ny mpitendry zava-maneno Katedraly Analakely ka rehefa natao ny fikarakarana samihafa dia nitsangana ny volana novambra 2020 ny FI.MPI.Z.K.A. na “Fikambanan’ny Mpitendry Zava-maneno Katedraly Analakely”.
Amin’ny maha-fikambanana azy izany dia misy ny rafitra mifehy ny fikambanana izay ahitana Birao miisa 7
Filoha (1)
Filoha lefitra (2)
Mpitan-tsoratra (2)
Mpitan-tsoratra vola (2)
Mpitahiry vola (1)
Misy ihany koa ny vaomiera mba hahafahan’ny fikambanana miodina amin’ny andraikitra nankinin’ny fiangonana azy, dia ny :
Vaomieran’ny Hira
Vaomieran’ny Fandrindrana ny Fotoam-pivavahana
Vaomieran’ny Fampitaovana
Vaomieran’ny Aim-panahy.
Taorian’ny fanavaozana ny rafitra rehetra teo anivon’ny FJKM ny taona 2024, dia nampidirina ho isan’ny asan’ny FI.MPI.Z.K.A. ihany koa ny fikirakirana ny fanamafisam-peo izay nampianarin’ny FI.MPI.Z Synodamparitany Iarivo Avaradrano. Ezaka lehibe arak’izany no entin’ny Birao ankehitriny. Eo aloha ny fampianarana hira ny fiangonana izay hatao mialohan’ny fotoam-pivavahana. Mnampy tokoa izany amin’ny fanitsiana ny fahazarana efa noraisin’ny fiangonana. Miara-miasa amin’ny Mpitandrina moa izy ireo amoin’ny fisafidianana ny hira. Fa ny tena hilofosana ihany koa dia ny fitaizam-panahy ho an’ireo mpitendry sy mpikirakira fanamafisam-peo. Tsapan’ny Mpikambana tokoa izao ny toeran’izy ireo ara-tsoratra masina.
Ankehitriny dia nahatratra ny faha-dimy taona ny nitsanganan’ny fikambanana ka napetraka ho tsangambaton’ny fankalazana ny ORGA DIAMONDRA na ORGA HAMMOND. Nosantarina ny fitendrena ny ORGA DIAMONDRA ny Alahady 26 janoary 2025 nandritra ny fotoam-pivavahana maraina izany ka Andriamatoa Sonn, izay efa fanta-daza amin’ny fitendrena ny ORGA DIAMONDRA no nitendry izany. Notohizana tamin’ny kaonseritra izany ny tolakandro ka nandraisan’ny mpitendry zava-maneno rehetra anjara, niaraka tamin’ny ORGA DIAMONDRA.