FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, notokanana ara-pombam-piangonana

Araka ny tetiandro naroson’ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy avy eto amin’ny FJKM Katedraly Analakely dia tontosa ny Alahady 11 jona 2023 ny fitokanana ny trano fiangonana FJKM AMPANDRIANKILANDY FIADANANA, izay tsangambato faharoa ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Katedraly Analakely.

Amin’ny maha-fitokanana ara-pombam-piangonana dia ny FOIBE FJKM no nitarika ny fotoana izay nosoloin’ny Filoha mpanampy tena, Andriamatoa RAZARASOA Timoty ; sy ny Talen’ny AFF FOIBE, RAKOTOARIMANANA Nirina Mpitandrina.

Vory lanona avokoa ihany koa ny solontenan’ny synodamparitany anankiroa : SOFIA ANDREFANA N°30 izay notarihin’ny Filoha Mpanampy, ny Mpitandrina TOKOTANY Max izay mitandrina ihany koa ny fiangonana FJKM Zoara Famonjena Port-Bergé ; IARIVO AVARADRANO N°19 izay notarihin’ny Filohany, ny Mpitandrina RABETOKOTANY Miarilaza.

Ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael no nitarika ny delegasion’ny FJKM Katedraly Analakely izay niaraka tamin’ny Biraon’ny Fitandremana sy ireo solontenan’ny sampana, sampanasa ary Fikambanana. Tsy diso anjara ny tompon’ny fotoana dia ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy rehetra izay notarihin’ny Filohany, Andriamatoa RAVELOSON Stephane Hery.

Niombona tanteraka tamin’ny fanatanterahina ny fotoam-pivavahana ny Mpitandrina sy ny Laika rehetra tany amin’ny faritra Ampandriankilandy sy ny teto amin’ny FJKM katedraly Analakely ka toy izao ny fandraisana anjaran’ny tsirairay :

  • Nitarika ny fanompoam-pivavahana : Mpitandrina TOKOTANY Max, Filoha Mpanampy SP30
  • Dimy minitra ny sekoly alahady : AVILAZA Tsaravita Augustin, Mpitandrina FJKM Nazareta Mampikony
  • Vavaka vakinteny : RAKOTONIAINA Hasley, Mpitandrina FJKM Faravohitra Antsohihy
  • Vakinteny : Andriamatoa RABARINALA Thierry, Filoha mpanampin’ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy sy Ramatoa RAHARISAINA Antoinette Biraon’ny Fitandremana, izay samy avy any amin’ny FJKM Katedraly Analakely ;
  • Vavaka fangatahina : RAVELOSOA ANDRIAMAMONJY NOMENJANAHARY Mickael Mpitandrina, FJKM Katedraly Analakely
  • Nitendry ny zava-maneno : RAKOTOARISOA Florent, Filoha mpanampy Laika, SP3

Ny STK Zanaky ny Famonjena, FJKM Faravohitra Antsohihy no antoko mpihira nanafana ny fitoam-pivavahana, izay tena nanamarika ny fotoam-pivavahana tokoa.

Amin’ny maha-fitokanana ara-pombam-piangonana dia ireo fitaovana rehetra entina hiasa ho an’ny fiangonana no niditra voalohany ka anisan’izany ny Baiboly, ny Lakroa, ny fitantazan-drakitra, ny fizarana kapoaka sy mofo, ny lamba litorjika izay miasa rehetra, ny fafana fasiana laharan-kira sy vakinteny ary ny zava-maneno. Niara-niditra taorian’ireo kosa ny mpitarika sy nandray anjara rehetra nandritra ny fotoam-pivavahana.

Nandritra ny asa vavolombelona no notanterahina ny fitokanana ny trano fiangonana izay nomarihina tamin’ny fanokafana ny takela-bato fahatsiarovana. Notohizana tamin’ny fandraisam-pitenenana samihafa izay narindran’ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric, FJKM Ampandriankilandy Fiadanana. Nifandimby nandray fitenenana ary ny Filoha Mpanampin’ny Foibe FJKM, ny Talen’ny AFF FOIBE, ny Filohan’ny Komity Tsangambato Ampandriankilandy, ny Biraon’ny Fitandremana FJKM Katedraly Analakely, ireo solontenan’ny Synodamparitany faha-30 sy faha-19. Ny Mpitandrina RASAMIMANANA Rijaniaina Eric no namarana izany izay nisaotra tamin’ny anaran’ny vahoaka Kristiana tao Ampandriankilandy. Anisan’ny nanana anjara fitenenana ihany koa ny solontenam-panjakana sy ny olom-be tao amin’ny faritra Antsohihy SOFIA.

Feno tanteraka kosa ny fiangonana, tany ivelany ka hatrany anatiny. Ankoatran’ny vahoaka Kristiana tao Ampandriankilandy mantsy  dia maro ireo Kristiana avy amin’ny fiangonana manodidina no tonga nanotrona ny fotoana.

Ny sakafo AGAPE no namaranana ny fotoana ka niombonan’ny rehetra fifaliana taorian’ny fitokanana ny fiangonana.

Hisaorana Izy Andriamanitra Ray Tsitoha izay tompon’ny asa ka nahafahana nanatanteraka ny asa fananganana

Hisaorana ny fiangonana FJKM Katedraly Analakely izay nataon’Andriamanitra fitaovana, tamin’ny alalan’ireo Komity isan-karazany izay samy nitondra ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavany. Teo indrindra koa ireo Sampana, Sampanasa sy Fikambanana ary ny zanak’am-pielezana izay samy nitondra ny anjara birikiny.

Hisaorana ny fiangonana FJKM Ampandriankilandy Fiadanana tamin’ny fiaraha-nandrindra sy nandamina ny asa satria lavitra dia lavitra tokoa ny toerana nanaovana ny fananganana. Tsy adino ihany koa ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fanangananA. Teo ny nanome tànana, fitaovana sy enti-manana ; teo ny nampindrana maimaim-poana ; tao ireo sampana rehetra nandray anjara nivantana na an-kolaka tamin’ny enti-manana.

Ho an’Andriammanitra irery ihany ny voninahitra.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email