FJKM KATEDRALY ANALAKELY

FJKM Zoara Famonjena Antetezana sy ny STK Zokiny

« Manangàna faneva ho tazan’ny firenena » Isaïa 63 :10
Miarahaba antsika nahatratra ny krismasy 2024 ary mirary antsika hiaina ny krismasy “tena izy”, krismasin’i Jesoa Kristy. Miarahaba ihany koa nahazo taom-baovao 2025.
Anatin’ny fandaharanasan’ny STKZ ny famangiana fiangonana ivelan’ny synodam-paritany, ka tamin’ity taona ity dia ny FJKM Zoara Famonjena Antetezana, Fitandremana Iharana, fokontany Antaratasy, Commune Foulpointe no notsidihina.


17 ny mpikambana nandray anjara tamin’izany izay notarihin’ny filohany RANDRIANTSOAVINA Livatiana mivady.
Niainga ny alakamisy 05 desambra 2024 tamin’ny 5ora maraina ny sampana ary tonga teto amin’ny fiangonana Analakely ny alatsinainy 09 desambra 2024 tamin’ny 8 :30 alina.

Ny fitandremana Iaharana dia misy fiangonana 8 ary VOM iray izay hiandraiketan’ny mpitandrina Mbolatiana, ny katekista Maintso Pierre Pascal no miandraikitra ny fitandremana Zoara Famonjena Antetezana izay misy mpivavaka 70-80 ary mpandray ny fanasan’ny Tompo 20. Ny fiangonana dia niorina efa 90 taona ary manao ny asa fanitarana amin’izao fotoana izao.
Ny alahady 08 desambra no notanterahina ny famangiana ny fiangonana. Nitarika ny fotoana ny katekista Maintso Pierre Pascal ary nitory ny tenin’Andriamanitra ny mpitandrina Mbolatiana. Ny FAST, ny vavaka alohan’ny vakiteny ary ny vakiteny 3 kosa no noraisin’ny STKZ.


Nandritra ny fotoan’ny vaovaom-piangonana no nandray fitenenana ny filohan’ny STKZ ka tamin’izany no nanazavana ny mahakasika ny STKZ Katedraly Analakeky sy ny asa ataony, notsindriana tamin’izany ny fanampiana ny Fiangonana, 200.000Ar sy ny Mpitandrina, 150.000Ar ary ny Katekista 100.000Ar. Tsy adino koa ny fanolorana ny fitafiana sy kiraro ho an’ny mpivavaka.

Tamin’io alahady io koa dia nanararaotra ny fandalovan’ny STKZ ny FJKM Zoara Famonjena Antetezana ka nanao vokatra. Nandray anjara mavitrika ny mpikambana tamin’ny fividianana ny vokatra rehetra. Nahatratra 230.000Ar ny vidim-bokatra azon’ny fiangonana tamin’izany.
Raha araka ny vinan’ny sampana dia hisy ny fiarahamiasa maharitra eo amin’ny STKZ sy ny FJKM Zoara Famonjena Antetezana, Fitandremana Iharana. Ankinina amin’ny Tompo ny fitohizan’izany.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email