Deotoronomia 11, 12b “ny mason’i Jehovah Andriamanitrao mitsinjo azy mandrakariva hatramin’ny fiandohan’ny taona ka hatramin’ny fiafarany”
Teny fampanantenana lehibe ho an’ny taona izay hodiavina no nozaraina nandritra ny fiaraha-mivavaka ny Alarobia 01 janoary 2025.
Fanontaniana roa no nisarihana ny sain’ny mpino :
1/ te hahery ve ianao mandritra ny taona 2025 ?
2/ te hahazao ny fiainana mandrakizay ve ianao ?
Ny lakilen’ny faherezana dia ny fitandremana ny tenin’Andriamanitra. Na sarotra, na mafy ny hitranga mandritra ny taona dia tsy hampiova ny herinao izany satria mifototra amin’ny finoana nateraky ny tenin’Andriamanitra izany. Mahadona ny fon’Andriamanitra ireo olona mifikitra aminy ary tadiaviny mihintsy ka henoiny ny fitarainany.
Ny fandraisana an’i Jesoa Kristy no ivon’izany satria Izy irery no efa nahatanteraka izany. Tsy mandeha amin’ny herin’ny tena fa amin’ny finoana tanteraka.
Ny fandraisana an’i Jesoa Kristy ihany koa no antoka hahazoana ny fiainana mandrakizay, ilay fara-tampon’ny fanantenan’ireo mpanara dia ny Tompo.
Noho izany :
Raiso Jesoa vatana
Raiso Jesoa Iraka
Raiso Jesoa tantara
Raiso Jesoa fiainana