FJKM KATEDRALY ANALAKELY

KRISMASY TENA IZY

Ho teraka ao am-ponao ny faniriana hiara-monina amin’i Jesoa Kristy
Ho teraka ao am-ponao ny faniriana ho voavela heloka
Matio 1, 18-25

Ireo no votoatin’ny hafatra Krismasy nozarain’ny Mpitandrina RAVELOSOA Mickael ny Alahady 25 desambra 2024. Ny volana desambra no anisan’ny volana feno programa raha ny tetiandron’ny FJKM Katedraly Analakely izay manodidina ny fankalazana ny Krismasy avokoa.


Vao migadona ny volana desambra dia tena somebiseby avokoa ny FJKM Katedraly Analakely ho fiatrehina ny Krismasy. Samy miomana daholo, na ny fiangonana na ny sampana. Ireo sampana mitaiza dia hiatrika ny fety fankalazana izan-karazany toy ny krismasin’ny firaisan-tsampana, ny krismasin’ny sekoly alahady. Ny an’ny fiangonana kosa dia fotoana hanehoana amin’ny hafa fa velon’ny finoana ary fotoana fijoroana vavolombelona izany.


Asa fanasoavana
Isaky ny talata faharoan’ny volana desambra no hanaovana azy io. Fotoana hanateran’ny fiangonana fanampiana ho an’ireo akany mitaiza ary ireo toerana samihafa, izay ireto avy : Toeram-panomanana Mpitandrina Ambatonakanga sy Ivato – Akany Avoko Faravohitra, Ambohidratrimo ary Bevalala, TOPAZA Ambohimitsimbina, Akany Fialofana Tangaina, Akany fanarenana zazalahy eny Anjanamasina. Ny fiangonana iray manontolo ny mirohatra, manomboka any amin’ny fanagonana ka hatrany amin’ny fanaterana ny fanomezana.

Krismasin’ny zokiolona
Fotoana efa nipetraka ho fanao isan-taona hatramin’ny ela teto amin’ny fiangonana. Tsaroana manokana amin’io ireo zokiolon’ny fiangonana, hitondrana am-bavaka azy ireo ary hanomezana fanomezana. Fifaliana tokoa ny fihaonana satria misy amin’izy ireo tsy afaka mandeha mivavaka intsony noho ny fahosana. 67 no zokiolona noharabaina ny faha-19 desambra 2024 lasa teo.

Krismasin’ny firaisan-tsampana
Ny tolakandron’ny faha-24 desambra no fanaovana azy io.Nandritra ny dimy taona farany teo dia niova endrika tokoa ny fankalazan’ny firaisan-tsampana ny krismasy. Tantara an-tsehatra harahin’ny ravaka tena kanto dia kanto ary handraisan’ny sampana rehetra anjara. Manokana teti-bola mihintsy ny fiangonana hanatontosana azy io. Tantara eo amin’ny Baiboly ihany no velomina sy harindra ary ny samy sampana ihany no tompon’andraikitra mikarakara.


Hazo noelin’ny Sekoly Alahady

Azo lazaina fa io no ivon’ny fety fankalazana ny krismasy. Ny sampana Sekoly Alahady no tompon’antoka ary mandray anjara avokoa ireo kilasy rehetra, hatramin’ny mpampianatra. Ny tolakandron’ny faha-25 desambra no hanaovana azy. Ankoatran’ny mpianatra sy mpampianatra dia mandray anjara ihany koa ireo sampana mitaiza ho fanehoana fiombonana.

Krismasin’ny anjorom-bala
Vao naverina indray ity hetsika ity fa niova endrika tanteraka. Fitoriana filazantsara an’ireo mahantra manodidina ny fiangonana ka hanasana azy ireo hiditra ao am-piangonana. Misy ny horonan-tsary izay mirakitra ny tantaran’ny Baiboly, arahina antso-piovam-po ary faranana amin’ny fiderana. Alohan’ny firavana dia zaraina sakafo izy ireo ho mariky ny fifankatiavana.


Hisaorana ny Tompo fa vita soamantsara ny programa rehetra satria natrehiny tanteraka. Fotoana hisehoan’ny fifankatiavana sy fiombonana ka hijoroana vavolombelona fa velona Jesoa teraka ao am-po.

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email