FJKM KATEDRALY ANALAKELY

MAHAIZA MIZARA

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asa. 20 :35

Ny sabotsy 26 oktobra 2024, ny Sampana Tanora Kristiana Zokiny dia nanatontosa ny « Mahaiza Mizara », hetsika efa fanaony isan-taona, izay hahitana fizarana maro samihafa mety hahasoa ny mpikambana sy ny ankohonany. Natomboka tamin’ny 11 ora ary nifarana tamin’ny 4 ora tolakandro ny fotoana.

Ny hetsika dia natomboka tamin’ny fizarana mofonaina ho an’ny rehetra, natao mba hanomanana ny toe-tsaina, sy fo ary fanahy mialoha ny fizarana.

Natomboka tamin’ny ara-panahy ny fizarana. Nisy ny fijoroana vavolombelona izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fahatokisana an’Andriamanitra. Namafisin’ireo mpizara fa mamaly vavaka Andriamanitra rehefa matoky Azy sy mivavaka amin’ny fonao rehetra ianao. Efatra no nijoro vavolombelona naneho ny fiantraikan’ny vavaka izay namaha ny olana tamin’ny fisedrana izay niainany.

Nisy ihany koa ny fizarana momba ny fampiasana ny teknolojia, Intelligence Artificielle, ChatGPT. Nohazavain’ny mpizara ny fomba hahafahana mampiasa io fitaovana io amin’ny sehatra isan-karazany, toy ny asa, fianarana, ary ny fiainana andavanandro. Nohamafisin’ny mpizara fa azo hampiasaina ihany koa io teknolojia io amin’ny asa fitoriana ny filazantsara.

Nisy ihany koa ny fizarana mahakasika ny fitsaboana ny hémoroïde amin’ny alalan’ny zavamaniry. Nampahafantarina ny fomba voajanahary nanampy tamin’ny fitsaboana an’ity aretina ity.

Rehefa vita ny fifampizarana, dia nofaranana tamin’ny fiara-misakafo narahina hirahira sy dihy ny fotoana. Ny hetsika toy izao dia natao ho fanamafisana ny firaisankina sy ny fitiavana eo amin’ny samy mpikambana.  

Tonga nanatrika ny hetsika izay natao teny Talatamaty ny Coach sy ny mpikambana 34.

Nofaranana tamin’ny vavaka ny fotoana

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email