FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SAMPANA T.A.FI.K.A – 15 TAONA NITAIZANA TANORA

Noho ny fitantanan’Andriamanitra tompon’ny asa dia nahatratra ny faha-15 taona niorenany ny sampana Tanora Akon’ny Fiderana Katedraly Analakely na ny T.A.Fi.K.A. Ny Alahady 14 jolay 2024 no nisokatra ara-pombam-piangonana ny fankalazana ka nanolorana ireo komity izay hamolavola ny fankalazana.

Tsiahy fohy
Ny fitambaran’ny STK Zandriny sy ny antoko mpihira A.M.A.A.F (Antoko Mpihira Analakely Akon’ny Fiderana) teo aloha no nanome ny Tanora AKon’ny Fiderana Katedraly Analakely. Ny fitsipika fototry ny STK FOIBE no niorenan’ny sampana ary izy no mitondra ny anaran’ny STK Fitandremana Katedraly Analakely. Ny volana novambra 2009 ary no nitsangana ara-dalàna ny sampana rehefa nandalo fankatoavana tamin’ny ambaratongam-pitondrana teto amin’ny fiangonana. Andriamatoa isany, RAMAROSON Vincent sy RAVELOSON Stephane no Filoha niara-nitondra ny sampana nandritra ny roa taona niorenany. Izy ireo moa dia Filohan’ny A.M.A.A.F sy ny STK Zandriny tamin’izany.

Sehatra fanabezana sy fitaizana
Araka ny fitsipika fototra ny STK Foibe dia mitaona ny tanora mba ho resy lahatra amin’ny filazantsaran’ny famonjena ka afaka mijoro vavolombelona eny anivon’ny fiaraha-monina ny tanora voataiza ny STK. Tena mifikitra amin’izay tanteraka ny fitaizana sy fanabeazana ao amin’ny T.A.Fi.K.A ka manao vain-dohan-draharaha ny fiovam-pon’ny tanora mba handray ny famonjena. Tsy natao ambanin-javatra koa anefa ny manodidina ny fahatanorana ka nomena lanja ny fanatanjahan-tena. Mba hanatanterahin’ny sampana ireo asa nankinin’ny Tompo taminy dia misy ireo rantsana samihafa mitsangana eo anivon’ny sampana ka hahafahan’ny mpikambana mampiasa ny talenta sy ny fanomezam-pahasoavany :
– Rantsana Antoko Mpihira : io no nitsangana voalohany hatramin’ny niandohan’ny sampana tamin’ny 2009. Ireo tanora tia midera sy mihira ho an’Andriamanitra no mikambana ao. Isaky ny sabotsy atoandro amin’ny 1 ora ny famerenana ary mihira indroa isam-bolana.
– Rantsana Tafika Miantsa : ireo ankizy manomboka ny 6 taona ka tia mihira kosa no tezaina ao. Ny taona 2018 no nitsanganana ary beazina ho tia mivavaka sy midera ho an’Andriamanitra izy ireo. Isaky ny sabotsy amin’ny 2 ora sy sasany ny famerenana ary mihira indroa isam-bolana.
Rantsana kitra : hikambanan’ireo tanora liana amin’ny taranja baolina kitra. Ny taona 2019 no nitsangana ary efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana maro isam-piangonana.
– Rantsana Basket ball : ny taona 2011 no nitsangana, nandritra ny fankalazana ny faha-150 taona ny fiangonana. Tsy latsa-danja amin’ny ekipa basket eo anivon’ny FJKM izy ireo satria efa nibata amboara maro.
– Rantsana Soratra Masina sy Evenement corporatif no vao natsangan’ny Birao manomboka ny taona 2024.
Voafehin’ireo rantsana ireo ny karazam-panabeazana ho an’ny tanora, fa ny tena manana anjara dia ny vaomieran’ny fitaizam-panahy, izay miara-miasa akaiky amin’ny Birao satria io ny fototry ny fitaizana.
Komity faha-15 taona
Hiatrika fankalazana ny sampana T.A.FI.K.A ka nangana komity handrindra sy handamina izany. Ny Alahady 21 jolay 2024 lasa teo no naseho sy nentina am-bavaka ny komity ary afaka miasa amin’izay.

Eo am-pamolavolana ny tetikasa sy ny tetibola moa izy ireo fa ny zava-dehibe ny teny faneva izay hanamarihana ny fankalazana manao hoe : « Mandehana amin’ny Fitiavana » Efesiana 5, 4a

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email