FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SAMPATI : notokanana ny tsangambato faha-70 taona

IANAREO NO FAHAZAVAN’IZAO TONTOLO IZAO

Izany teny filamatry ny SAMPATI izany no nentina niarahabana ny mpianakavin’ny finonana ny Alahady 17 novambra 2024 lasa teo. Notokanana nadritra io andro io koa ny efitranon’ny SAMPATI, izay tsangambato ny faha-70 taona.

Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika noho ny nitantanany sy mbola nahatratrarana izao andro izao dia : Alahady nasionaly ny SAMPATI sy ny iray volan’ny SAMPATI FIVONDRONANA TARATRA XV em eto @fjkm-katedraly-analakely FJKM KATEDRALY ANALAKELY.Misaotra ny Mpitandrina, ny Biraon’ny Fitandremana, ny Sampana sy ny Sampanasa rehetra, ny Ray aman-dreny, ny sakaiza mpanohana ary ny fiangonana iray manontolo fa tsapanay fa teo anilanay mandrakariva ianareo ary mivavaka sy manohana anay hatrany

Mandray anjara mavitrika foana ny SAMPATI XV em tamin’ny hetsika rehetra nokarakarain’ny fiangonana sy ny sampana. Mandray anjara mavitrika koa amin’ny hetsika karakarain’ny foibe roa tonta

Fa manentana koa ireo rehetra tsy mbola ao anatiny mba hiditra ao @ Sampana :
VONDRONA MPANAZAVA
Sampana MAVO na Voronkely :ireo zazavavikely 6 à 11 Taona
Sampana Maintso na Mpanazava :ireo zazavavy 12 à 15 Taona
Sampana Mena na Afo : ireo zatovovavy + 16 Taona
VONDRONA TILY indray
Louveteau na Tily Mavo :ireo zazalahikely 6 à 12 Tacna
Tily Maintso :ireo zazalaly 12 à 16 Taona
Mpiandalana : ireo zatovolahy 16 a 19 Taona
Menafify : ireo zatovolahy mihoatra ny 20 Taona

Tanjona
Amin’ny maha hetsim-panabeazana, ny tanjona dia hanolokolo tanora sy zatovo ho vavolombelon’ny Jesoa Kristy ka Tompon’andraikitra eo @ fiangonana sy ny firenena.
Koa antsoina isika Ray aman-dreny hamporisika ny zanantsika ho Sampati, isika manana ny taona mifanitsy @ ireo sampana ireo voalaza ireo koa dia antsoina hanantevina ny sampana.

Isaky ny Asabotsy @ 2 ora sy sasany ny fotoana eto Ampiangonana, fa misy kosa anefa ny fidinana antsaha isambolana
Lasy tselatra isaky ny Telo volana
lasy lehibe iray isan- taona
Fihaonana isan- 3 volana miaraka @ RAD Mpitandrina

Ny fandaharan’asa @ ity taom-pitazaina ity dia :
Hankalaza ny faha-75 taona ny sampana
Hanitatra hatrany ny efitrano ny sampana mba ahafahana mametraka foibe informatika ahafahan’ireo beazina mandalina sy Makarova ary
Lasy lehibe any Sainte Marie

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email