FJKM KATEDRALY ANALAKELY

SEKOLY ALAHADY KATEDRALY ANALAKELY – FJKM AMBOHIMAHAVELO

« Koa mandehana ianareo dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra »
Fifaliana ho an’ny sampana SEKOLY ALAHADY ny manolotra ho anareo ny tsara ho fantatra momba ny antony sy safidy an’Ambohimahavelo hanorenana FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara)
Araka ny fivoriana nataon’ny Synoda lehibe, sy araka ny tetikasa asa Fitoriana Filazantsara FJKM dia tapaka fa hanokatra sekoly misionera na SEMI ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Ny tanjony voalohany indrindra dia ny hitahiry tsara ny mpino ho vavolombelona mahatoky ary mba hamorona fiangonana amin’ireo kaominina 407 izay mbola tsy misy FJKM sy hamontosana filazantsara ny Nosy Madagasikara araka ny vinan’ny FJKM ihany.

Tanteraka ny Sabotsy 21 Octobra 2017 lasa teo ny famoahana ara-pombam-piangonana ireo 902 mianadahy nianatra ho misionera FJKM voalohany, izay notanterahina tao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana. Ho reharehan’ny fiangonana tokoa izy ireo noho izy anisan’ny fantsona lehibe hanatanteraka ny vinan’ny FJKM manao hoe “Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara”. Araka ny teny nolazain’ny filohan’izy ireo tamin’ny kabary izay nataony dia hiparitaka eran’ny synodamparitany miisa folo izy ireo. Miantomboka amin’ny fananganana vondrom-bavaka hatramin’ny fananganana trano fiangonana FJKM. Tsy hionona amin’ny fanatsarana ny endriky ny fiangonana ivelany fotsiny fa araka ny maha misionera, dia nampianarina izy ireo mba hanana toe-panahy misionera na toe-panahy tahaka izay nananan’i David Jones sy i Thomas Bevan.


Nisy maromaro tamin’ireo misionera ireo no avy ao amin’ny FJKM Katedraly Analakely
Tanjon’izany asa misiona izany ny hamita Kaominina 200 amin’ny volana Aprily 2018, hoy Atoa ROBERT SAONINA Marson Mpitandrina, Mpanampin’ny Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana. Araka izany dia nohavaozina ny lisitra mirakitra ny fitsinjarana ireo misionera handeha amin’ireo Kaominina sisa tavela.
Noho izany, taty aoriana dia mbola nisy koa ireo misionera teto Analakely no voairaka tany amin’ny Synodamparitany Toliara Fihavaozana SP 33 tany Ambohimahavelo ary anisan’izany ny Filohan’ny Sampana sekoly alahady Atoa RAMAMONJISOA SOLOFOMANITRA sy ireo mpampianatra vitsivitsy.
Ka ny PS RANDRIANARISON Jean Evariste, Mpitandrina no nandray azy ireo tao Toliara niaraka tamin’ny Biraon’ny SP no Diakona FJKM Rasalama Maritiora Rtoa Josiane Lalaina.
Nitsangana ny VOMM ( VONDRON’OLONA MPIARA MIVAVAKA)ary afaka nanofana ireo izay nanolo-tena ny misionera na dia fotoana fohy aza. Atoa Christophe mpampianatra any an-toerana no napetraka hitarika ny VOMM Ambohimahavelo. Vatsiana Baiboly, Perikopa, Mofon’aina sy boky fianarana Soratra Masina izy sy ireo mpiara-dia aminy vitsivitsy.
Nisy koa ny fiaraha-miasa tamin’ny Mpitandrina sy ny biraon’ny Fitandremana Rasalama Maritiora tamin’ny fanendrena Katekista hisahana ny fanompoam-pivavahana ny Alahady.

Ny Sampana Sekoly Alahady no nandray manontolo ny fandaniana amin’ny fivezivezena hatramin’izany ka hatramin’izao ary mino izahay manoratra fa hitohy hatrany izany ho Voninahitr’Andriamanitra.
Ny sampana sekoly alahady moa araka ny antompisiany dia sampana iray mikolo hatrany amin’ny fototra ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra ary porofon’izany ny amin’ny fanaovan’ny Ray amandreny ny fanekena hampianatra sy hampiditra ny zanany ho sekoly alahady.
Faharesen-dahatra no nipoiran’ny hevitra hanangana trano fiangonana tao Ambohimahavelo noho izany.
Koa ny taona 2023 rehefa nanomana fa hankalaza ny faha-140 taona ’ny Sampana Sekoly Alahady ny taona 2024 ka naroso ny hevitra faTrano Fiangonana noho Tsangambaton’ny faha-140 taona ny SA.
Koa rehefa tafatsangana ny komitin’ny fankalazana dia nampandalovina ny ambaratongandrafitra teo anivon’ny Fitandremana ny tetikasa ary nekena ny hanatotosana izany.


Fa aiza moa i AMBOHIMAHAVELO ?
Any amin’ny Faritanin’i Toliary no misy azy
– 11 km alohan’ny hidirana any Toliary no mivily ankavia raha avy aty Antananarivo, ary
– 14 km kosa miala eo no misy an’Ambohimahavelo ka lalan-tany no hizorana ( piste cyclable en terre) ka atao ora 2 eo ho eo
– Izany hoe 25km Toliary – Ambohimahavelo
– Commune manana velarantany 1325,54 ha
– Ny reniranon i Onilahy no mandalo eo aminy
– Ny foko ao dia : Masikoro, Mahafaly, Tagnalagna, misy vezo ihany koa
– Fambolena sy fiompiana no antompiveloman’ny mponina
– Mamokatra vary in2 isantaona eo Ambohimahavelo
Ankoatra ny vary dia tena mahavokatra : fary, aubergine, poivrons, anana, voatabia, bageda ary mamtsy any Toliary mihitsy aza izy fa ny olana hatrehina dia biskilety no hitanterana ny vokatra mankany.
Noho ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana nefa dia miaraka marobe ny vatandehilahy (30 eo ho eo), miainga amin’ny 1 ora maraina any Ambohimahavelo hamonjy tsena any Toliary, ary dia miaraka mamonjy fodiana indray ny tolakandro dia toy izay hatarny ny andavanandrompiainany.
Andro sabotsy no tsena ao Ambohimahavelo
Misy ihany ny taxi brousse mampitohy azy sy Toliary fa vitsy
Fiompiana osy no any ary tsy dia ahitana omby sy kisoa loatra.
Misy Sekolimpanjakana any : EPP SY CEG
Misy sekoly tsy miankina koa dia an’i Père Zeferino Aogostini
Misy CSB2 ihany koa any ary misy Médecin chef sy Sage femme
Fa misy ireto karazampiangonana ireto any : FLM, KATOLIKA, RHEFI, ADAVANTISTA,APOKALIPSY, TEMOIN DE JEHOVAH, SILAMO ; JESOSY MAMONJY
Ny FJKM no tsy mbola misy fa izao vao haorintsika izao.
Fa ahoana ary ny mahakasika ny trano fiangonana FJKM ho aorintsika any Ambohimahavelo ?
Hiorina eo antampon’ny tendrombohitra ny FJKM ao Ambohimahavelo ka raha vao hiditra ny tanàna dia hahita azy
Marihana fa novidin’ny Sampana Sekoly alahady FJKM Katedraly Analakely ny tany hanaovana ny fanorenana, 200 000 ar no nividianana azy io ary tsara ny mampahafantatra antsika fa efa nahazo ny fankatoavana avy amin’ny Synodamparitany Iarivo Avaradrano tarihan’ny PS SPIA RABETOKONTANY MIHARILAZA ny fanorenana.
Amin’izao fotoana izao aloha dia mbola vondron’olona mpiara-mivavaka no misy na VOMM ary katekista no mitarika ny fanompoam-pivavahan isaky ny alahady ka omena sarandalana sy solontsakafo isaky ny mankany izy ary ao amin’ny CEG no toerana hanatanterahana izany
Ary ny Mpitandrina Ravo Fenofanoharantsoa izay mitondra ny Fitandremana St Augustin Loharano Velona no miahy azy aloha izao.


Ny sampana Sekoly Alahady aloha no misy amin’izao ary mahafaly fa efa misy mpianatra eo amin’ny 70 sy mpampianatra 4 .izay marihina fa noho izy ireo tsy mbola nahazo fiofanana ho mpampianatra dia notolorana boky lesona ( Kilasy 1 hatramin’ny kilasy faha 4 izay manaraka ny fandaharampianaran’ny Sekoly alahady foibe)
Ny sokajin-taonan’ireo mpiantara dia 2 taona hatramin’ny 14 taona.
Nisy fihaonanay tamin’ireo mpampianatra moa nandritra ny fandalovana tany ka nizara traikefa ny amin’ny fomba fampitandesona ary hoezahina ny hijery ny fanampiana azy ireo ny amin’ny famonjena ny fiofanana amin’ny alalan’ireo fihaonambe karakarain’ny Sampanan Sekoly alahady foibe sy ny synodamparitany.
Ny TETIBIDIN’NY trano fiangonana dia 121 000 000 ariary izay mirefy 14,05m x 6,38m
Mahazaka olona hatramin’ny 70 eo ny trano fiangonana
Araka ny voalaza tetsy aloha dia faharesendahatra no niteraka ny hevitra hanorina ny trano fiangonana ary hanao izany ho tsangambato ny fankalazana ny faha 140 taona.
Mizotra sy mandroso tsara ny asa fanamboarana ny trano fiangonana FJKM Ambohimahavelona.
20 andro tao aorian’ny andro nanamarihana ny fanombohana ny asa ny 28 jona 2024, dia vita ny travaux de fouille ny fondation rehetra.
Vita ihany koa ny coulage ny semelles isolées miisa 20.
Vita koa ny travaux de soubassement en maçonnerie de moellons.
Ary vita ihany koa ny fandrafetana ny parpaings rehetra sy ireo claustras aération anaty trano fiangonana.
Ny 16 jolay 2024 no nanomboka ny asa fananganana ny rindrina en maçonnerie de parpaings hatrany amin’ny niveau +2,35m sy ny tilikambo 03 isa, ka ho vitaina afaka 20 andro manaraka.
Ny dingana tsy ho ela dia ny fandrafetana ny ferme métallique, ny tafo ary ny fandrafetana ny varavarambe sy ny varavarankely en bois ramy.

Fa inona ary ny tanjona ?
Ny tanjona moa dia ho fanatanterahana ny vina hanorina trano fiangonana ao amin’ny Kominina 407 sy ho fandraisana anjara amin’ny hazakazaka Masina ka hijoro vavolombelona amin’ny fitoriana ny Filazantsara n’aiza n’aiza sy manerana izao tontolo izao ary indrindra indrindra ho marika famantarana ho an’ireo taranaka any aoriana fa vavolombelon’ny fampidirana ny olona ho isan’ny mpandova ny fiainana mandrakizay ny ray amandreniny.
Tamin’ny 28 jona 2024 no napetraka ny vato fehizoro ny trano fiangonana ka ny Mpitandrina RAKOTONOELY Felix ao amin’ny FJKM Rasalama Martiora Toliary sy ny mpitandrina Rija nisolo tena ny Président Synodal no nitarika ny fanompoampivavahana.
Ary taorian’io dia nanomboka avy hatrany ny asa fanorenana.
Maro moa ny hetsika atao ho fitadiavana loharanombola hamitana ny asa toy ny :
Sakafompifaliana ; karatra tsangam-bato ; tirelire nozaraina tamin’ireo mpianatra sekoly alahady ; Raki-pisaorana ; tolotra fitaovana sy vola …
Tolorana fisaorana indrindra

**ny Mpitandrina RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickael ny amin’ny fanentanana ny fiangonana manontolo, ireo sampana sy sampan’asa ary fikambanana ary singanina manokana ny fianakaviamben’ny Sekoly alahady amin’ireo hetsika samihafa ireo ary fanirianay ihany koa ny hanentana ny any ampielezana rehetra manerana izao tontolo izao mihitsy ny amin’ny fanaovana tongotra miara-mamindra sy soroka miara milanja amin’ny fanatontosana izany tsangambato lehibe izany.
**Ny Biraon’ny Fitandremana,
Ny ray mpiahy ny Sampana sekoly alahady Andriamatoa RAVELOSON Stéphane Hery
Ireo vato nasondrotry ny tany amin’ny fiaraha-miasa rehetra sy izay mbola ho tohin’ny fiaraha-miasa rehetra satria mbola ao anatin’ny asa tokoa isika.
Fa notanterahintsika ny baikon’Andriamanitra hoe :
« Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah » Hagay 1 : 8
Ary ny hoe « Manangàna famantaran-dalana ho anao ianao, manorena tsangam-bato » Jer 31 : 21 a
Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra.
Ny Filoha
ANDRIAMAMPIONONA Tiana Verohanitra

Hizara ny lahatsoratra

Share on facebook
Share on whatsapp
Share on email